Joba
29 Nanohy ny teniny* ihany i Joba, ka nilaza hoe:
2 “Raha mba toy ny tamin’ireo volana lasa mantsy ny fiainako,
Toy ny tamin’ny andro niarovan’Andriamanitra ahy,
3 Tamin’izy nampamirapiratra ny jirony teo ambony lohako,
Ka ny fahazavany no nitsilo ny diako tao anaty haizina,+
4 Tamin’izaho mbola tanora sy natanjaka,
Sy tamin’Andriamanitra mbola namako tao an-tranolaiko,+
5 Tamin’ny mbola niaraka tamiko ilay Mahery Indrindra,
Ary nanodidina ahy ny zanako* rehetra,
6 Tamin’ny mbola feno dibera ny lalako,
Ary niboiboika menaka ho ahy ny vatolampy!+
7 Tamin’izaho mpankeo am-bavahadin’ny tanàna,+
Ka nipetraka teo amin’ny toerako, teo amin’ny tany malalaky ny tanàna,+
8 Dia nahita ahy ny tovolahy ka nikisaka,*
Ary na ny olona efa antitra aza nitsangana ka nijoro+ teo foana.
9 Nangina tsy niteny ny andriana;
Notampenany tamin’ny tanany ny vavany.
10 Tsy nahavoaka feo ny olona ambony;
Niraikitra tamin’ny lanilaniny ny lelany.
11 Nilaza zavatra tsara momba ahy izay rehetra nandre ahy,
Ary niaro ahy ireo nahita ahy.
14 Nanaovako foana toy ny akanjo ny fahamarinana;
Toy ny akanjo lava* sy satroka lamba tsy miala eny amiko ny fampiharako ny rariny.
15 Nanjary maso ho an’ny jamba aho,
Ary tongotra ho an’ny malemy.
18 Mpiteny an’izao aho: ‘Ao an-tranoko* ihany aho no ho faty,+
Ary ho maro be hoatran’ny fasika ny androko.
19 Hisandrahaka any anaty rano ny fakako,
Ary hisy ando foana ny sampako mandritra ny alina.
20 Mihavao foana ny voninahitro,
Ary hitifitra tsy an-kijanona ny tsipìka eny an-tanako.’
22 Tsy nanan-kolazaina intsony izy ireo rehefa avy niteny aho;
Nanongilan-tsofina nihaino ny teniko izy ireo.*