Genesisy
23 Ary 127 taona ny andro niainan’i Saraha. Izany no taona niainany.+ 2 Dia maty tao Kiriata-arba+ i Saraha, izany hoe tao Hebrona,+ any Kanana.+ Ary nanomboka nisaona sy nitomany an’i Saraha i Abrahama. 3 Niala teo amin’ilay vadiny efa maty izy avy eo, ka niteny tamin’ny taranak’i Heta+ hoe: 4 “Vahiny sy mpiavy eto aminareo aho,+ ka mba omeo tany eto aminareo hataoko toeram-pandevenana. Dia ao no handevenako ny vadiko.” 5 Dia namaly an’i Abrahama ny taranak’i Heta hoe: 6 “Henoy izahay, tompoko. Voatendrin’Andriamanitra ho mpiadidy* eto aminay ianao,+ ka azonao alevina ao amin’izay toeram-pandevenana tsara indrindra eto aminay ny vadinao. Samy vonona hanome anao ny toeram-pandevenanay daholo izahay, mba handevenanao ny vadinao.”
7 Dia niankohoka teo anatrehan’ny tompon-tany* i Abrahama, izany hoe teo anatrehan’ny taranak’i Heta,+ 8 ka niteny hoe: “Raha manaiky ianareo ka avelanareo handevina ny vadiko aho, dia mba henoy aho. Reseo lahatra i Efrona zanak’i Zohara 9 mba hivarotra amiko an’ilay lava-batony ao Makpela, eo amin’ny sisin’ny sahany. Asaivo amidiny amiko eto anatrehanareo araka izay tena vidiny+ ilay izy, amin’izay aho mba manana tany hataoko toeram-pandevenana.”+
10 Ary nipetraka teo niaraka tamin’ny taranak’i Heta i Efrona tamin’izay. Dia hoy i Efrona Hetita tamin’i Abrahama, teo imason’ny taranak’i Heta sy izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanàna:+ 11 “Sao dia mba tsy mety izany, tompoko! Mba henoy aho. Omeko anao daholo na ilay saha na ilay lava-bato ao. Eto imason’ny zanaky ny fireneko no anomezako an’izany anao. Aleveno ao ny vadinao.” 12 Dia niankohoka teo anatrehan’ny tompon-tany* i Abrahama, 13 ka niteny tamin’i Efrona teo anatrehan’ny olona hoe: “Mba henoy aho azafady! Homeko anao daholo ny volafotsy vidin’ilay saha. Dia raiso ilay vola omeko mba hahafahako handevina ny vadiko ao.”
14 Dia namaly an’i Abrahama i Efrona hoe: 15 “Mba henoy aho, tompoko. Volafotsy 400 sekely* no vidin’io tany io, nefa tsy misy dikany izany fa aleveno ao fotsiny ny vadinao.” 16 Dia neken’i Abrahama ihany ny tenin’i Efrona, ka nolanjainy ho an’i Efrona ilay volafotsy efa nolazainy teo anatrehan’ny taranak’i Heta, dia volafotsy 400 sekely,* araka ny lanja fampiasan’ny mpivarotra.+ 17 Koa ny sahan’i Efrona tao Makpela tandrifin’i Mamre, izany hoe ilay saha sy ilay lava-bato tao ary ny hazo rehetra tao anatin’ny faritr’ilay saha, dia nekena ara-dalàna 18 ho fananan’i Abrahama, dia fananana novidiny teo imason’ny taranak’i Heta, teo imason’izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanàna. 19 Avy eo dia nandevina an’i Saraha vadiny tao amin’ilay lava-bato i Abrahama, teo amin’ilay saha tao Makpela tandrifin’i Mamre, izany hoe tao Hebrona, any Kanana. 20 Nafindran’ny taranak’i Heta tamin’i Abrahama àry ilay saha sy ilay lava-bato tao, ka lasa fananany mba hataony toeram-pandevenana.+