Joba
40 Mbola namaly an’i Joba ihany i Jehovah hoe:
2 “Tokony hisy mpanakiana hifandahatra amin’ilay Mahery Indrindra ve?+
Aoka hamaly ilay te hananatra an’Andriamanitra.”+
3 Dia namaly an’i Jehovah i Joba hoe:
Ka inona no azoko avaly anao?
Tampenako ny vavako.+
5 Efa niteny indray mandeha aho, nefa tsy hamaly intsony,
Indroa mihitsy aza, nefa tsy hiteny intsony.”
6 Dia namaly an’i Joba avy tao anaty tafio-drivotra+ i Jehovah, ka niteny hoe:
8 Hisalasala ve ianao* hoe manao ny rariny tokoa aho?
Homelohinao ve aho mba hahamarina anao?+
9 Matanjaka toy ny sandrin’ilay tena Andriamanitra ve ny anao,+
Sa mahavita mampikotrokotroka ny feonao ho tahaka ny azy ianao?+
10 Aoka ianao, azafady, hiravaka voninahitra sy fahalehibeazana;
Mitafia haja amam-boninahitra.
11 Avoahy daholo ny fahatezeranao;
Jereo izay rehetra manambony tena ka ataovy lasa ambany.
12 Jereo izay manambony tena ka ataovy izay hahafa-baraka azy,
Ary hitsakitsaho eo amin’izay misy azy ny ratsy fanahy.
13 Asitriho ao amin’ny vovoka izy rehetra;
Afatory ao amin’ny toerana miafina izy ireo,*
14 Dia izaho mihitsy no hiaiky* amin’izay
Hoe mahavonjy anao ny tananao havanana.
15 Jereo ny Behemota,* fa samy nataoko na izy na ianao.
Mihinana ahitra hoatran’ny omby izy.
16 Jereo fa matanjaka be ny tehezany
Ary mafy be ny hoza-kibony!
17 Henjaniny ny rambony ka hoatran’ny hazo sedera;
Mifampidipiditra ny hoza-peny.
18 Toy ny fantsona varahina ny taolany,
Ary toy ny bara vy ny rantsambatany.
19 Anisan’ny voalohany amin’ny* asan’Andriamanitra izy;
Ny Mpanao azy ihany no mahavita manatona azy mba hamely azy amin’ny sabatra.
20 Mamokatra sakafo hohaniny ny tendrombohitra,
Eny amin’izay ilalaovan’ny bibidia rehetra.
21 Matory eny ambany kirihitra feno tsilo* izy,
Eny ambany alokaloky ny bararata eny amin’ny honahona.
22 Manalokaloka azy ny kirihitra feno tsilo,*
Ary manodidina azy ny hazo aravaha eny amin’ny lohasaha.*
23 Tsy matahotra izy, na dia mahery be aza ny renirano.
Matoky tena izy, na dia mitosaka mankeo am-bavany aza ny Reniranon’i Jordana.+