Nomery
4 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: 2 “Tokony hisaina isam-pianakaviana sy isaky ny fianakaviambe ny taranak’i Kehata+ anisan’ny taranak’i Levy, 3 dia izay rehetra 30+ ka hatramin’ny 50 taona,+ anisan’ny antoko voatendry hiasa ao amin’ny tranolay fihaonana.+
4 “Izao no fanompoan’ny taranak’i Kehata ao amin’ny tranolay fihaonana,+ ary zavatra masina indrindra izany: 5 Rehefa hiainga ny toby, dia hiditra i Arona sy ny zanany lahy ka hampidina ny ridao+ fanakonana, ary iny no handrakofany ny Vata+ Misy ny Tenin’ny Vavolombelona. 6 Horakofany hoditra faoky* eo amboniny, ary mbola hamelarany lamba manga eo ambonin’io. Dia hataony amin’ny toerany ireo bao filanjana+ ny Vata.
7 “Hamelatra lamba manga eo ambonin’ny latabatry ny mofo aseho+ koa izy ireo, ka hataony eo ambonin’io ny vilia, ny kaopy, ny vilia baolina, ary ny zingan’ny fanatitra zava-pisotro.+ Tokony ho eo ambonin’ilay latabatra foana ny mofo,+ izay fanatitra atolotra tsy tapaka. 8 Hamelatra lamba mena midorehitra eo ambonin’ireo izy. Dia horakofany hoditra faoky ilay latabatra, ary hatsofony ny bao filanjana+ azy. 9 Haka lamba manga izy ireo avy eo hanaronany ny fitoeran-jiro+ sy ny kojakojany: Ny jiro,+ ny fitazonana lahin-jiro,* ny fitondrana afo,+ ary ny fitoera-menaka rehetra ampiasaina mba hampirehitra foana ny jiro. 10 Hofonosiny ao anaty rakotra vita amin’ny hoditra faoky ilay fitoeran-jiro sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ka hataony eo ambonin’ny bao filanjana. 11 Ary hamelatra lamba manga eo ambonin’ny alitara volamena+ izy ireo. Dia horakofany hoditra faoky ilay izy, ary hatsofony ny bao filanjana+ azy. 12 Halain’izy ireo ny fitaovana hafa rehetra+ ampiasainy hanompoana tsy tapaka ao amin’ny toerana masina, ka hataony ao anaty lamba manga. Dia hosaronany hoditra faoky ireo, ka hataony eo ambonin’ny bao filanjana.
13 “Tokony hanala ny lavenona* eo amin’ny alitara+ izy ireo, dia hamelatra lamba volonondry volomparasy eo amboniny. 14 Hataony eo ambonin’ilay alitara ny fitaovana rehetra ampiasainy rehefa manompo eo, dia ny fitondrana afo, ny fitrebika,* ny lapelina, ary ny vilia baolina, izany hoe ny fitaovana rehetra ho an’ny alitara.+ Dia hamelatra hoditra faoky handrakofana ny alitara izy ireo, ary hanatsofoka ny bao filanjana+ azy.
15 “Rehefa hiainga ny toby, dia tokony ho efa norakofan’i Arona sy ny zanany lahy ny toerana masina+ sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy. Dia hiditra ny taranak’i Kehata ka hilanja an’ireo,+ nefa tsy hikasika an’ilay toerana masina izy ireo sao ho faty.+ Ireo zavatra ireo no andraikitry* ny taranak’i Kehata mifandray amin’ny tranolay fihaonana.
16 “I Eleazara+ zanak’i Arona mpisorona no miandraikitra sy manara-maso ny menaky ny jiro,+ ny emboka manitra,+ ny fanatitra varimbazaha atolotra tsy tapaka, ary ny menaka masina fanosorana.+ Izy no miandraikitra ny tranolay masina, dia ilay izy manontolo sy ny ao anatiny rehetra, anisan’izany ny toerana masina sy ny fitaovana miaraka aminy.”
17 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: 18 “Tandremo sao ho ripaka ny taranak’i Kehata+ ka tsy hisy Kehatita intsony ao amin’ny fokon’i Levy. 19 Ataovy tsara kosa ny andraikitrareo, mba ho velona foana izy ireo fa tsy ho faty rehefa manatona an’ireo zavatra masina indrindra.+ Hiditra i Arona sy ny zanany lahy, ka hilaza amin’ny tsirairay ny fanompoana hataony sy izay tokony holanjainy. 20 Tsy tokony hiditra hijery an’ireo zava-masina ny Kehatita na dia indray mipy maso aza, sao ho faty.”+
21 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 22 “Tokony hisaina isaky ny fianakaviambe sy isam-pianakaviana ny taranak’i Gersona.+ 23 Soraty ny anaran’izay 30 ka hatramin’ny 50 taona anisan’ny antoko voatendry hanompo ao amin’ny tranolay fihaonana. 24 Ireto avy no tokony hokarakarain’ny fianakavian’ny Gersonita sy hoentiny:+ 25 Hoentin’izy ireo ny lamban’ny tranolay,+ ny tranolay fihaonana, ny rakotra, ilay rakotra vita amin’ny hoditra faoky eo amboniny,+ ny lamba fanakonana an’ilay fidirana* amin’ny tranolay fihaonana,+ 26 ny fefy lamban’ny tokotany,+ ny lamba fanakonana an’ilay fidirana* amin’ny vavahadin’ny tokotany+ manodidina ny tranolay sy ny alitara, ny tady fanenjanan-day sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny zavatra rehetra ampiasaina rehefa manompo ao amin’ny tranolay masina. Izany no anendrena azy ireo. 27 Tokony hanara-maso ny fanompoana rehetra ataon’ny Gersonita+ sy ny zavatra entiny i Arona sy ny zanany lahy. Asaivo entiny ireo entana rehetra ireo, fa ireo no andraikiny. 28 Izany no fanompoana tokony hataon’ireo fianakavian’ny Gersonita ao amin’ny tranolay fihaonana,+ ka i Itamara+ zanak’i Arona mpisorona no miandraikitra ny fanompoan’izy ireo.
29 “Ny taranak’i Merary+ kosa tokony hosoratanao anarana isam-pianakaviana sy isaky ny fianakaviambeny. 30 Izay 30 ka hatramin’ny 50 taona no hosoratanao anarana, dia izay rehetra anisan’ny antoko voatendry hanao ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana. 31 Ireto avy ny andraikiny, dia izay tokony hoentiny+ mifandray amin’ny fanompoany ao amin’ny tranolay fihaonana: Ny rafitry+ ny tranolay, ny barany,+ ny andry,+ ary ny faladia itsatohany.+ 32 Hoentiny koa ireo andrin’ny+ tokotany manodidina, ny faladia itsatohany,+ ny fantsika be fanenjanan-day,+ ny tady fanenjanan-day, ary ny fitaovana rehetra miaraka aminy sy izay rehetra ampiasaina amin’ny fanompoana mifandray amin’ireny. Holazainareo aminy ny anaran’ny fitaovana tokony hoentiny. 33 Hoatr’izany no tokony hataon’ireo fianakavian’ny taranak’i Merary+ rehefa manompo ao amin’ny tranolay fihaonana, ka i Itamara zanak’i Arona mpisorona no hiandraikitra azy ireo.”+
34 Ary nosoratan’i Mosesy sy Arona ary ny mpiadidy+ vahoaka araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny ny anaran’ireo taranaky ny Kehatita,+ 35 dia izay rehetra 30 ka hatramin’ny 50 taona anisan’ny antoko voatendry hanompo ao amin’ny tranolay fihaonana.+ 36 Koa nisy 2 750+ ireo voasoratra anarana rehetra araka ny fianakaviany avy. 37 Ireo no voasoratra anarana tamin’ny fianakavian’ny Kehatita, dia izay rehetra nanompo tao amin’ny tranolay fihaonana. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anarany, araka ny baikon’i Jehovah nampitaina tamin’i Mosesy.+
38 Nosoratana araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny ny anaran’ny taranak’i Gersona,+ 39 dia izay rehetra 30 ka hatramin’ny 50 taona anisan’ny antoko voatendry hanompo ao amin’ny tranolay fihaonana. 40 Koa nisy 2 630+ ireo voasoratra anarana rehetra araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny. 41 Ireo no voasoratra anarana tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Gersona, dia izay rehetra nanompo tao amin’ny tranolay fihaonana. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anarany, araka ny baikon’i Jehovah.+
42 Nosoratana araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny ny anaran’ny taranak’i Merary, 43 dia izay rehetra 30 ka hatramin’ny 50 taona anisan’ny antoko voatendry hanompo ao amin’ny tranolay fihaonana.+ 44 Koa nisy 3 200+ ireo voasoratra anarana rehetra araka ny fianakaviany avy. 45 Ireo no voasoratra anarana tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Merary. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anarany, araka ny baikon’i Jehovah nampitaina tamin’i Mosesy.+
46 Nosoratan’i Mosesy sy Arona ary ny mpiadidy teo amin’ny Israely ny anaran’ireo Levita rehetra ireo, ka nataony araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny izany. 47 Ary 30 ka hatramin’ny 50 taona izy ireo. Voatendry hanompo sy hitondra an’ireo fitaovan’ny tranolay fihaonana+ izy rehetra. 48 Nisy 8 580+ ireo voasoratra anarana rehetra. 49 Nosoratana ny anaran’izy ireo, araka ny baikon’i Jehovah nampitain’i Mosesy, ka samy nanana ny fanompoana nanendrena azy sy ny anjara entany avy ny tsirairay. Nosoratana ny anaran’izy ireo, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.