Joba
10 “Maharikoriko ahy ny fiainako.+
Havoakako daholo ny fitarainako.
Hiteny aho fa mangidy loatra ny fiainako!
2 Hiteny amin’Andriamanitra aho hoe: ‘Aza tsarainao hoe meloka aho.
Lazao amiko hoe maninona ianao no miady amiko.
3 Misy soa azonao ve rehefa mampijaly ahy ianao,
Ka manao tsinontsinona ny asan’ny tananao,+
Ary mankasitraka ny hevitry ny ratsy fanahy?
5 Toy ny androm-piainan’ny olona mety maty angaha ny androm-piainanao,
Sa hoatran’ny taonan’ny olona ny taonanao,+
6 No tadiavinao izay fahadisoako,
Ary karohinao ny fahotako?+
10 Tsy nararakao toy ny ronono ve aho,
Ary nataonao mandry toy ny fromazy?
13 Nitady hanao an’ireto zavatra ireto mangingina anefa ianao,*
Ary fantatro fa avy aminao ireto:
15 Raha meloka aho, dia loza ny manjo ahy!
Ary na tsy manan-tsiny aza aho, dia tsy ho afaka hitraka,+
Satria afa-baraka tanteraka sady vontom-pahoriana.+
16 Raha mitraka aho, dia hihaza ahy toy ny liona+ ianao,
Ary hasehonao indray ny herinao mba hamelezana ahy.
17 Mitondra vavolombelona hafa hiampanga ahy ianao
Sady vao mainka tezitra amiko,
Amin’izao fahoriana misesisesy manjo ahy izao.
18 Koa nahoana aho no navoakanao avy tao an-kibo?+
Tahaka izay aho maty dia tsy nisy maso nahita ahy.
19 Dia mba toy ny hoe tsy nisy mihitsy aho;
Ho nalaina avy tao an-kibo aho, ka tonga dia nalefa tany am-pasana.’
20 Tsy efa vitsy ve ny androko?+ Aoka izy tsy hanelingelina ahy;
Enga anie tsy hibanjina ahy intsony ny masony, dia mba ho maivamaivana*+ aho,
21 Alohan’ny handehanako any amin’ny toerana izay tsy hiverenako intsony,+
Dia any amin’ny tany anjakan’ny haizim-pito,*+
22 Any amin’ny tany misy haizina mikitroka,
Dia tanin’ny haizim-pito sy korontana,
Ka na ny hazavana any aza toy ny haizim-pito.”