Ho an’ny mpitarika. Hiran’ny taranak’i Kora.+
85 Niantra ny taninao+ ianao, Jehovah ô!
Nampodinao ireo taranak’i Jakoba azo babo.+
2 Efa namela ny fahadisoan’ny vahoakanao ianao;
Navelanao daholo ny fahotany.+ (Sela)
3 Tsy navoakanao daholo ny hatezeranao,
Ary tsy nisafoaka intsony ianao.+
4 Ataovy lasa hoatran’ny taloha indray izahay, ry Andriamanitra mpamonjy anay ô,
Ary aza sosotra aminay intsony.+
5 Hisafoaka aminay mandrakizay+ ve ianao?
Mbola ho tezitra foana ve ianao hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby?
6 Tsy hovelombelominao indray ve izahay
Mba ho afaka hifaly aminao+ ny vahoakanao?
7 Asehoy hoe tia anay sy tsy mivadika aminay ianao, Jehovah ô,+
Ary vonjeo izahay!
8 Hohenoiko izay lazain’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra,
Satria izy hiresaka fihavanana amin’ny vahoakany,+ dia amin’ireo tsy mivadika aminy.
Aoka anefa izy ireo tsy hatoky tena loatra indray.+
9 Akaiky an’izay matahotra an’Andriamanitra tokoa ny famonjeny,+
Mba ho afaka hijanona eto amin’ny taninay ny voninahiny.
10 Hihaona ny fitiavana sy ny tsy fivadihana;
Hifanoroka ny fahamarinana sy ny fiadanana.+
11 Hitsimoka avy amin’ny tany ny tsy fivadihana,
Ary hitazana avy any an-danitra ny fahamarinana.+
12 Tena hanome zava-tsoa i Jehovah,+
Ary hahavokatra ny taninay.+
13 Handeha eo alohan’Andriamanitra ny rariny,+
Ka hanomana ny lalana handehanany.