Genesisy
45 Ary tsy nahafehy ny fihetseham-pony intsony i Josefa, teo anatrehan’ny mpanompony rehetra teo.+ Dia hoy izy: “Avoahy daholo ny olona rehetra!” Koa tsy nisy olon-kafa intsony teo, rehefa nampahafantatra ny tenany tamin’ny rahalahiny izy.+
2 Ary nigogogogo nitomany izy ka henon’ny Ejipsianina, sady henon’ny tao an-tranon’i Farao. 3 Farany, dia hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: “Izaho ange no Josefa e! Mbola velona any ve i Dada?” Tsy nahateny mihitsy anefa ny rahalahiny, satria taitra be. 4 Ary hoy i Josefa: “Avia eto akaikiko e!” Dia nankeo aminy izy ireo.
Hoy izy avy eo: “Izaho ange ilay Josefa rahalahinareo e, ilay namidinareo ho atỳ Ejipta!+ 5 Aza matahotra anefa, ary aza mifanome tsiny satria hoe nivarotra ahy ianareo. Fa hamonjy aina no nandefasan’Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.+ 6 Roa taona amin’ity izao no nisian’ny mosary,+ ary ao anatin’ny dimy taona koa mbola tsy hiasa tany na hijinja ny olona. 7 Nalefan’Andriamanitra hialoha anareo anefa aho, mba tsy ho lany taranaka+ eto ambonin’ny tany ianareo, ary mba hovonjeny amin’ny fomba mahagaga ka tsy ho faty. 8 Tsy ianareo àry no nandefa ahy tatỳ fa Andriamanitra. Tiany hotendrena ho lehiben’ny mpanolo-tsain’i* Farao mantsy aho, sady hanam-pahefana amin’ny ao an-tranony rehetra ary ho mpitondra an’i Ejipta manontolo.+
9 “Miverena haingana any amin’i Dada, dia teneno izy hoe: ‘Izao no nolazain’i Josefa zanakao: “Efa notendren’Andriamanitra hanam-pahefana amin’i Ejipta manontolo aho.+ Koa midìna atỳ amiko, fa aza mangataka andro.+ 10 Mahazo mipetraka ao Gosena ianao,+ dia mba eo akaikiko eo foana ianao, sy ny zanaka aman-jafinao, sy ny ondrinao, sy ny ombinao, ary izay rehetra anananao. 11 Izaho no hamatsy sakafo anao ao, dia ianao sy ny ao an-tranonao ary izay rehetra anananao. Sao ianareo tsy hanana na inona na inona intsony ary ho fatin’ny mosary. Mbola haharitra dimy taona mantsy ny mosary.”’+ 12 Ny masonareo sy Benjamina rahalahiko mihitsy izao no mahita fa tena izaho ity miteny aminareo ity.+ 13 Tantarao amin’i Dada àry ny voninahitro rehetra atỳ Ejipta sy izay rehetra hitanareo. Ary ento midina atỳ haingana i Dada.”
14 Ary namihina* an’i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany. I Benjamina koa nitomany sady namihina ny vozony.+ 15 Nanoroka ny rahalahiny rehetra koa izy ka nitomany sady namihina azy ireo. Dia izay ny rahalahiny vao niresaka taminy.
16 Ary henon’ny tao an-tranon’i Farao ny vaovao hoe: “Tonga ao, hono, ny rahalahin’i Josefa!” Dia nahafaly an’i Farao sy ny mpanompony izany. 17 Hoy àry i Farao tamin’i Josefa: “Teneno ny rahalahinao hoe: ‘Izao atao: Makà biby mpitondra entana hitondra ny entanareo, dia mandehana any Kanana. 18 Alaivo ny rainareo sy ny ankohonanareo ka tongava atỳ amiko, fa homeko anareo izay zavatra tsara eto Ejipta. Dia hihinana an’izay* tsara indrindra* eto ianareo.’+ 19 Teneno koa ry zareo hoe:+ ‘Izao atao: Makà sarety+ avy eto Ejipta mba hitondrana ny vady aman-janakareo, ary ento amin’ny iray amin’ireny ny rainareo dia tongava atỳ.+ 20 Aza manahy momba ny fanananareo,+ satria anareo izay tsara indrindra eran’i Ejipta.’”
21 Dia nataon’ny zanak’i Israely izany. Ary nomen’i Josefa sarety izy ireo araka ny baikon’i Farao, sady nomeny vatsy hohaniny eny an-dalana. 22 Ary samy nomeny akanjo vaovao iray avy izy ireo, fa i Benjamina kosa nomeny volafotsy 300 sekely sy akanjo vaovao dimy.+ 23 Ireto kosa no nampitondrainy ho an’ny rainy: Ampondra folo nitondra zavatra tsara avy tany Ejipta, sy ampondravavy folo nitondra varimbazaha sy mofo ary sakafo ho vatsin’ny rainy eny an-dalana. 24 Dia nalefany nandeha ny rahalahiny, ka lasa. Hoy koa izy tamin’ireo: “Aza mifampila vaniny* ianareo eny an-dalana eny.”+
25 Dia niakatra avy tany Ejipta izy ireo, ka tonga tany amin’i Jakoba rainy tany Kanana. 26 Ary hoy izy ireo taminy: “Mbola velona any i Josefa, sady izy no mpitondra an’i Ejipta manontolo!”+ Tsy nampihontsina an’i Jakoba anefa izany, satria tsy nino azy ireo izy.+ 27 Dia notantarain’izy ireo tamin’i Jakoba rainy daholo ny tenin’i Josefa, ary hitany koa ny sarety nalefan’i Josefa hitondrana azy. Koa velombelona indray i Jakoba. 28 Dia hoy i Israely: “Aoka izay! Hay mbola velona any i Josefa zanako! Mila mankany aminy sy mahita azy aho alohan’ny hahafatesako!”+