Mpitsara
17 Nisy lehilahy atao hoe Mika, avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima.+ 2 Ary hoy izy tamin-dreniny: “Tadidinao ilay volafotsy 1 100 sekely nisy naka tany aminao iny? Henoko ianao nanozona an’ilay olona naka azy. Atỳ amiko ilay izy. Izaho no naka azy.” Dia hoy ny reniny: “Hotahin’i Jehovah anie ny zanako!” 3 Naveriny tany amin’ny reniny àry ilay volafotsy 1 100 sekely. Hoy anefa ny reniny: “Tsy maintsy hohamasiniko ho an’i Jehovah ilay volafotsy, anaka, amin’izay ianao afaka manamboatra sary sokitra sy sarivongana metaly*+ amin’ilay izy. Iny fa averiko aminao indray ilay izy izao.”
4 Rehefa naveriny tany amin’ny reniny ilay volafotsy, dia naka volafotsy 200 sekely ny reniny ary nomeny ny mpanefy volafotsy izany. Nanamboaran’ilay mpanefy sary sokitra sy sarivongana metaly* ilay izy, dia napetraka tao an-tranon’i Mika. 5 Nanana tranon’andriamanitra io Mika io, ary nanamboatra efoda+ sy sarivongana terafima.*+ Dia notendreny* ny iray tamin’ny zanany lahy mba ho mpisorona ho azy.+ 6 Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely+ tamin’izany andro izany, ary samy nanao izay noheveriny fa nety ny olona.+
7 Nisy tovolahy anankiray, anisan’ny fianakavian’i Joda,* avy any Betlehema+ any Joda. Levita+ izy, ary nipetraka kelikely tany. 8 Niala tany amin’ny tanànan’i Betlehema any Joda io tovolahy io mba hitady toerana hipetrahana. Dia nandeha izy, ka tonga tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, tany an-tranon’i Mika.+ 9 Ary hoy i Mika taminy: “Avy aiza ianao?” Dia hoy izy: “Levita avy any Betlehema any Joda aho, ary handeha hitady toerana hipetrahana.” 10 Dia hoy i Mika taminy: “Miaraha mipetraka amiko, dia ho mpanolo-tsaina* sy ho mpisorona ho ahy ianao. Ary homeko volafotsy folo sekely ianao isan-taona, dia homeko akanjo sy sakafo koa.” Dia niditra tao an-tranony ilay Levita. 11 Nanaiky hiara-mipetraka tamin’i Mika àry ilay tovolahy, ka nataony hoatran’ny anankiray amin’ny zanany. 12 Dia notendren’i Mika ho mpisorona ho azy ilay Levita,*+ ka nipetraka tao an-tranony. 13 Dia hoy i Mika: “Fantatro izao fa hanisy soa ahy i Jehovah, satria efa lasa mpisorona ho ahy ity Levita ity.”