Genesisy
33 Ary nitazana i Jakoba ka hitany fa tamy i Esao, niaraka tamin’ny 400 lahy.+ Dia nozarazarain’i Jakoba tamin’i Lea sy Rahely ary ny mpanompovavy roa ny ankizy.+ 2 Nataony teny aloha ny mpanompovavy sy ny zanany,+ dia avy eo i Lea sy ny zanany,+ ary tao aorianan’izy ireo i Rahely+ sy Josefa. 3 Dia nandeha mialoha azy ireo i Jakoba, ka niankohoka tamin’ny tany impito, mandra-pahatongany teo akaikin’ny rahalahiny.
4 I Esao koa anefa nihazakazaka nitsena azy, ka namihina azy sady nanoroka azy. Dia nitomany teo izy mirahalahy. 5 Rehefa hitan’i Esao ny zaza amam-behivavy, dia hoy izy: “Iza ireo miaraka aminao ireo?” Ary hoy i Jakoba: “Zaza nomen’Andriamanitra ny mpanomponao ireo.”+ 6 Dia nanatona ireo mpanompovavy sy ny zanany, ka niankohoka. 7 Nanatona koa i Lea sy ny zanany ka niankohoka. Avy eo dia nanatona i Josefa sy Rahely ka niankohoka.+
8 Ary hoy i Esao: “Fa maninona ianao no nandefa an’ireny olona sy biby rehetra nifanena tamiko ireny?”+ Dia hoy i Jakoba: “Amin’izay aho hankasitrahan’ny tompoko.”+ 9 Ary hoy i Esao: “Efa be dia be mihitsy ny fananako, ry rahalahiko,+ fa aleo ho anao ihany ny anao.” 10 Hoy anefa i Jakoba: “Aza atao an’izany moa e! Raha ankasitrahanao aho, dia mba raiso ny fanomezana atolotro. Te hahita ny endrikao mantsy aho dia nitondra an’ireny. Dia nahita ny endrikao tokoa aho izao, ka hoatran’ny hoe nahita ny endrik’Andriamanitra satria noraisinao tsara aho.+ 11 Mba raiso re ny fanomezana nentina ho anao e, fa tsodrano avy amiko ireny!+ Efa nankasitrahan’Andriamanitra mantsy aho, ka manana an’izay rehetra ilaiko.”+ Dia mbola nisisika ihany izy, ka noraisin’i Esao izany.
12 Dia hoy i Esao: “Andao isika hiala eto, ka aleo aho handeha eo alohanao.” 13 Hoy anefa i Jakoba: “Hitan’ny tompoko moa fa mbola kely ny ankizy,+ ary mampinono ny ondry sy omby entiko. Koa raha entina mandeha mafy loatra ao anatin’ny iray andro ireo biby fiompy ireo, dia ho faty daholo. 14 Aleo re ianao, tompoko, mandeha mialoha ny mpanomponao e! Fa izaho handeha miadana manaraka ny dian’ny biby fiompy sy ny dian’ny ankizy, mandra-pahatongako any amin’ny tompoko any Seira.”+ 15 Dia hoy i Esao: “Aleo àry homeko olona ianao hiaraka aminao e!” Fa hoy i Jakoba: “Aoka izao ihany re e! Rehefa ankasitrahanao fotsiny aho, tompoko, dia ampy ahy izay.” 16 Koa niverina nankany Seira i Esao tamin’iny andro iny.
17 Ary lasa nankany Sokota+ i Jakoba. Dia nanorina trano izy, sady nanao fialofana ho an’ny biby fiompiny. Izany no nahatonga azy hiantso an’ilay toerana hoe Sokota.*
18 Tonga soa aman-tsara tao amin’ny tanànan’i Sekema+ tany Kanana+ i Jakoba, rehefa avy tany Padana-arama.+ Dia nanangana ny tobiny teo akaikin’ilay tanàna izy. 19 Tatỳ aoriana, dia nividy tany izy, ka teo izy no nanangana ny tranolainy. Novidiny 100 kesita*+ tamin’ny zanakalahin’i Hamora, rain’i Sekema, ilay izy. 20 Dia nanorina alitara teo izy, ary nataony hoe Andriamanitra dia Andriamanitry ny Israely ny anaran’ilay alitara.+