Joba
31 “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho,+
Koa hataoko ahoana indray no hijerijery* virjiny?+
2 Raha sanatria aho manao an’izany, dia inona no ho anjarako avy amin’ilay Andriamanitra any ambony,
Dia ny lovako avy any amin’ilay Mahery Indrindra any amin’ny avo?
5 Efa nanao ny tsy marina* angaha aho?
Maika handeha hamitaka ve ny tongotro?+
7 Raha mivily any amin’ny tsy izy ny diako,+
Na manaraka izay tian’ny masoko ny foko,+
Na voaloto ny tanako,
8 Dia aoka aho hamafy, nefa olon-kafa no hihinana,+
Ary aoka hisy hanongotra izay amboleko.*
9 Raha voasarika ho amin’ny vehivavy hafa ny foko,+
Ka mamitsaka miandry+ eo am-baravaran’ny namako aho,
10 Dia aoka ny vadiko hanodina vato fikosoham-bary ho an’ny lehilahy hafa,
12 Ho afo mandoro sy mamotika tanteraka izany,+
Ka ho levona hatramin’ny fakany* ny zavatra rehetra novokariko.
Inona no havaliko azy rehefa manao ampamoaka izy?+
15 Tsy Ilay nanamboatra ahy tao am-bohoka ihany ve no nanamboatra azy ireo koa?+
Tsy Iray ihany ve no namolavola anay talohan’ny nahaterahanay?*+
16 Raha tsy nety nanome an’izay mba nirin’ny mahantra aho,+
Na navelako hipitrapitra* ny mason’ny mpitondratena;+
17 Raha nohaniko irery ny anjara sakafoko,
Fa tsy nozaraiko tamin’ny kamboty;+
18 —Efa hatramin’izaho mbola tanora mantsy no niara-lehibe tamiko ny kamboty* ka toy ny rainy aho,
Ary efa hatramin’ny mbola kely* aho no mpitari-dalana ho an’ny mpitondratena.*—
19 Raha toa aho nahita olona efa ho faty noho izy tsy nanana akanjo,
Na nahita mahantra tsy nanan-damba hirakofana;+
20 Raha tsy nitso-drano+ ahy izy*
Rehefa nanafana ny tenany tamin’ny volon’ondriko;
21 Raha nambanako totohondry ny kamboty+
Rehefa nila fanampiana tamiko* teo am-bavahadin’ny tanàna,+
22 Dia aoka ny sandriko* hiala amin’ny soroko,
Ary aoka ny tanako ho tapaka eo amin’ny kiho.*
23 Fa natahotra ny hiharan’ny loza avy amin’Andriamanitra aho,
Ary tsy nahajoro teo anoloan’ny voninahiny.
24 Raha nitoky tamin’ny volamena aho,
Na niteny tamin’ny volamena tena tsara hoe: ‘Ianao no ianteherako!’+
25 Raha nifaly tamin’ny harem-be nananako+ aho,
Satria nahazo fananana be dia be;+
26 Raha nahita ny masoandro* mamirapiratra aho,
Na ny volana kanto mamakivaky ny lanitra;+
27 Ka voasarika mangingina ny foko,
Ary nanoroka ny tanako ny vavako ka nivavaka tamin’ireny aho;+
28 Dia fahadisoana tokony hahazoana sazy avy amin’ny mpitsara izany,
Satria ho nanda an’ilay tena Andriamanitra any ambony aho.
31 Tsy niteny ve ny olona tao an-tranolaiko hoe:
32 Tsy nisy vahiny* voatery natory teny an-tokotany;+
Nosokafako ho an’ny mpanao dia lavitra ny varavarako.
33 Efa mba nanarontsarona ny fandikan-dalàna nataoko ve aho, toy ny fanaon’olona,+
Ka nanafina ny fahadisoako tao anaty paosin’akanjoko?
34 Efa mba natahotra an’izay mety hataon’ny vahoaka ve aho,
Na nihorohoro noho ny fanesoan’ny mpiara-monina
Ka nangina sy tsy sahy nivoaka ny trano?
35 Raha mba misy mihaino mantsy aho!+
Ho nosoniaviko tamin’ny anarako izay nolazaiko.*
Aoka ilay Mahery Indrindra hamaly ahy!+
Raha mba nosoratan’ny mpiampanga ahy mantsy ny fiampangana ahy!
36 Dia ho nolanjaiko teo an-tsoroko izany,
Ary ho nafatotro teo amin’ny lohako toy ny satroboninahitra.
37 Ho notateriko tamin’Andriamanitra ny diako tsirairay;
Ho natoky tena hoatran’ny andriana aho rehefa nanatona azy.
38 Raha nitaraina momba ahy ny taniko,
Ary niara-nitomany ny vava asa teo aminy;
39 Raha nohaniko ny vokatra teo aminy nefa tsy nandoa vola aho,+
Na raha nanao izay hahakivy ny tompony aho;+
40 Dia aoka ho tsilo no haniry eo fa tsy varimbazaha,
Ary ahidratsy maimbo fa tsy vary orza.”
Tapitra eto ny tenin’i Joba.