Joba
19 Namaly i Joba hoe:
4 Ary na dia tena nanao fahadisoana aza aho,
Dia ahy ihany izany!
5 Raha mbola mihevi-tena ho ambony noho izaho foana ianareo,
Ka milaza fa rariny raha alaina baraka aho,
6 Dia fantaro fa Andriamanitra no namitaka ahy,
Ary tratran’ny harato famandrihany aho.
8 Nosakanany tamin’ny rindrim-bato ny lalako, ka tsy afa-mandroso aho;
Norakofany haizina izay alehako.+
9 Nalany tamiko ny voninahitro,
Ary nesoriny ny satroboninahitra teny an-dohako.
10 Potipotehiny tanteraka ny fiainako mandra-pahafatiko;
Ongotany toy ny hazo ny fanantenako.
12 Mirohotra manao fahirano ahy ny miaramilany,
Ka mitoby manodidina ny tranolaiko.
15 Ataon’ireo vahiny ao an-tranoko+ sy ny mpanompovaviko hoatran’ny olona tsy fantany aho;
Toy ireny vahiny ireny aho amin’izy ireo.
16 Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy mamaly;
Ny vavako mihitsy no miangavy azy mba hangoraka ahy.
18 Na ny ankizikely aza manao tsinontsinona ahy;
Maniratsira ahy izy ireo rehefa mitsangana aho.
23 Raha mba voasoratra mantsy ny teniko,
Raha mba azo raketina ao anaty boky mantsy izany!
24 Enga anie izany ka ho voasokitra mandrakizay eo amin’ny vatolampy
Amin’ny penina vy sy amin’ny firamainty araraka!
26 Rehefa avy nopotehina toy izao ny hoditro,
Nefa mbola eo amiko ihany ny nofoko, dia hahita an’Andriamanitra aho.
27 Izaho mihitsy no hahita azy,
Eny, ny masoko fa tsy mason’olon-kafa.+
Trotraka tanteraka anefa ny ato anatiko!*
28 Fa hoy ianareo: ‘Inona no ataonay no lazaina fa manenjika azy izahay?’+
Izaho mantsy no hoatran’ny hoe fototry ny olana.