Josoa
12 Nandresy an’ireo mpanjaka tao amin’ilay tany ny Israelita, ka nalain’izy ireo ny tanin’izy ireny, izay teny atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, manomboka eo amin’ny Lohasahan’i* Arnona+ ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Hermona,+ sy ny ilany atsinanana amin’i Araba manontolo.+ Ireto avy izany mpanjaka izany: 2 I Sihona+ mpanjakan’ny Amorita, izay nipetraka tao Hesbona. Nanjaka tao Aroera+ eo amin’ny sisin’ny Lohasahan’i* Arnona izy.+ Avy eo afovoan’io lohasaha io ny faritra nanjakany, ka hatrany amin’ny antsasak’i Gileada eo amin’ny Lohasahan’i* Jaboka, izay sisin-tanin’ny Amonita. 3 Nanjaka teo amin’ny ilany atsinanana amin’i Araba koa izy, nanomboka teo amin’ny Ranomasin’i Kinereta*+ ka hatrany amin’ny Ranomasin’i Araba, izany hoe ny Ranomasin-tsira,* miantsinanana mankany Beti-jesimota, ary mianatsimo eo am-pototry ny tehezan-kavoanan’i Pisga.+
4 Azon’izy ireo koa ny tanin’i Oga+ mpanjakan’i Basana. Anisan’ireo Refaima sisa tavela izy,+ ary nipetraka tao Astarota sy tao Edrehy. 5 Nanjaka tany amin’ny Tendrombohitra Hermona izy, sy tany Saleka, sy Basana manontolo,+ hatreo amin’ny sisin-tanin’ny Gesorita sy ny Makatita,+ ary tany amin’ny antsasak’i Gileada, hatreo amin’ny faritra nanjakan’i Sihona mpanjakan’i Hesbona.+
6 Resin’i Mosesy mpanompon’i Jehovah sy ny Israelita izy ireo.+ Dia nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah ho lovan’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ny tanin’izy ireo.+
7 Be dia be ny mpanjaka tao amin’ilay tany resin’i Josoa sy ny Israelita tetỳ ampita andrefan’i Jordana, manomboka eo Bala-gada+ eo amin’ny Lohasahan’i Libàna,+ ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Halaka+ izay miakatra mankany Seira.+ Dia nomen’i Josoa ho fananan’ny fokon’ny Israely araka ny anjarany avy ny tanin’izy ireo+ 8 teny amin’ny faritra be tendrombohitra, tany Sefela, tany Araba, teny amin’ireo tehezan-kavoana, tany an-tany efitra, ary tany Negeba,+ izany hoe ny tanin’ny Hetita, ny Amorita,+ ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita.+ Ireto avy ireo mpanjaka ireo:
9 Ny mpanjakan’i Jeriko,+ iray; ny mpanjakan’i Ay+ teo akaikin’i Betela, iray;
10 ny mpanjakan’i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’i Hebrona,+ iray;
11 ny mpanjakan’i Jarmota, iray; ny mpanjakan’i Lakisy, iray;
12 ny mpanjakan’i Eglona, iray; ny mpanjakan’i Gazera,+ iray;
13 ny mpanjakan’i Debira,+ iray; ny mpanjakan’i Gadera, iray;
14 ny mpanjakan’i Horma, iray; ny mpanjakan’i Arada, iray;
15 ny mpanjakan’i Libna,+ iray; ny mpanjakan’i Adolama, iray;
16 ny mpanjakan’i Makeda,+ iray; ny mpanjakan’i Betela,+ iray;
17 ny mpanjakan’i Tapoa, iray; ny mpanjakan’i Hefera, iray;
18 ny mpanjakan’i Afeka, iray; ny mpanjakan’i Lasarona, iray;
19 ny mpanjakan’i Madona, iray; ny mpanjakan’i Hazora,+ iray;
20 ny mpanjakan’i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan’i Aksafa, iray;
21 ny mpanjakan’i Tanàka, iray; ny mpanjakan’i Megido, iray;
22 ny mpanjakan’i Kedesy, iray; ny mpanjakan’i Jokneama+ tany Karmela, iray;
23 ny mpanjakan’i Dora tany amin’ny tehezan-kavoanan’i Dora,+ iray; ny mpanjakan’i Goima tany Gilgala, iray;
24 ary ny mpanjakan’i Tirza, iray. Mpanjaka 31 ny fitambarany.