Levitikosy
12 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 2 “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Raha misy vehivavy bevohoka ka tera-dahy, dia haloto fito andro izy, hoatran’ilay hoe maloto mandritra ny andro maromaro izy rehefa tonga fotoana.*+ 3 Hoforana ilay zaza amin’ny andro fahavalo.+ 4 Mbola hanadio ny tenany mandritra ny 33 andro fanampiny ilay vehivavy aorian’izay, noho izy nandeha ra. Tsy hikasika zava-masina izy, na hiditra ao amin’ny toerana masina mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.
5 “‘Fa raha teraka vavikely kosa izy, dia haloto 14 andro, toy ny rehefa tonga fotoana. Ary mbola hanadio ny tenany mandritra ny 66 andro fanampiny izy aorian’izay, noho izy nandeha ra. 6 Rehefa tapitra ireo andro fidiovany noho izy niteraka zazalahy na zazavavy, dia hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona izy ho fanatitra dorana,+ ary zana-boromailala iray na domohina iray ho fanatitra noho ny ota. Hoentiny any amin’ny mpisorona, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ireo. 7 Hanolotra an’izany eo anatrehan’i Jehovah ny mpisorona, ka handrakotra ny fahotan’ilay vehivavy. Dia hadio ilay vehivavy nandeha ra. Izany no lalàna momba ny vehivavy teraka lahy na vavy. 8 Fa raha tsy takatry ny volany ny ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy:+ Ny iray ho fanatitra dorana, ary ny iray ho fanatitra noho ny ota. Ary handrakotra ny fahotan’ilay vehivavy ny mpisorona, ka hadio izy.’”