Mikitro-nify ve Ianao?
HATRAMIN’NY andro fahiny, dia efa nikitro-nify ny olona, rehefa ao anatin’ny fihenjanana. Matetika ny Baiboly no mampiasa ny teny hoe mihidy vazana, na mikitro-nify, mba hilazana olona tezitra na mijaly. (Joba 16:9; Matio 13:42, 50). Eo amin’izao tontolo izao tezi-dava sy feno fihenjanana ankehitriny, dia olona an-tapitrisany maro no mikitro-nify ara-bakiteny, ary tsy tsapan’ny ankamaroan’izy ireo akory izany. Mety hikiky tsikelikely ny nifiny izy ireo amin’izany.
Nahoana ny olona sasany no mikitro-nify? Saro-pantarina ireo antony sady mbola tsy takatra amin’ny fomba feno. Amin’ny toe-javatra sasany anefa, dia misongadina ho toa antony mahatonga izany ny fihenjanana ara-pihetseham-po. Hoy ny fanazavan’ny UC Berkeley Wellness Letter: “Matetika no mitantara ny olona mikitro-nify fa mandia zava-tsarotra ara-panambadiana na ara-bola, manala fanadinana famaranana, matahotra sao hamoy ny asany, na raha tsy izany dia eo ambany fanerena, ny tenany.” Mety ho antony sy lafin-javatra hafa mahatonga izany koa ny fananana nify ambony sy ambany tsy mifanitsy tsara, ny tsy fahampian-torimaso, na ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola. Noho izany, dia manipy hevitra ho an’ireo mikitro-nify ny Wellness Letter mba hiezaka hampihena ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola, hanao zavatra tsotra mba hanalefahan-kozatra alohan’ny hatoriana, toy ny fandroana amin’ny rano mafana, na hiresaka amin’ny namana iray na ny mpanoro hevitra azo itokiana iray momba ireo olana mampitebiteby.
Mety ho tsikaritrao, amin’ny antoandro, raha mikitro-nify na mampidilotra ny nifinao ianao. Ahoana anefa no ahafantaranao raha manao izany ianao rehefa matory? Indraindray ny fahazarana mikitro-nify dia miteraka feo mafy mety hanaitra ny olon-kafa iray efitra aminao, amin’ny torimasony. Mety harary andoha ianao rehefa mifoha, ka eo amin’ny fihirifanao no marary, na mety hamoaka feo mikitrankitrana ny valanoranonao.a Mety hahatsikaritra mihitsy aza ny mpitsabo ny nifinao fa mihavoakiky tafahoatra ny nifinao. Afaka manoro hevitra ny amin’ny fomba hanamaivanana izany izy, toy ny fametrahana zavatra eo anelanelan’ny nifinao ambony sy ambany, amin’ny alina. Na dia tsy natao hampitsahatra anao tsy hikitro-nify aza ny fiarovam-bava toy izany, dia afaka miaro ny nifinao mba tsy hihasimba bebe kokoa. Na ahoana ahoana, dia toneo ny fihenjanana! Arakaraka ny tsy anahianao no mety hihenan’ny fikitrohan’ny nifinao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo, aza fady, ny Mifohaza! (frantsay), tamin’ny 22 Jona 1991, pejy faha-20-22.