“Tsy Nino An’Andriamanitra Aho Noho ny Fitaizana Azoko”
MALAZA eran-tany i František Vyskočil, mpampianatra any amin’ny Oniversiten’i Charles any Prague, noho ny fikarohana ataony momba ny rafi-pitatitra. Tsy nino an’Andriamanitra izy taloha, nefa tena mino azy ankehitriny. Nohazavainy tamin’ny Mifohaza! ny nahatonga azy hiova hevitra.
Ahoana no fahitanao ny fivavahana, taloha?
Tsy nino an’Andriamanitra aho noho ny fitaizana azoko. Matetika i Dada no naneso ny mpitondra fivavahana. Nahazo mari-pahaizana momba ny biolojia sy simia aho, tamin’ny 1963. Nino aho, tamin’izaho nianatra, fa ny evolisiona no nampisy ny karazana zavamananaina.
Mba resadresaho aminay izay efa nataonao.
Rehefa nahazo mari-pahaizana aho, dia nianatra momba ny fitohizan-tselam-pitatitra, selan’ny atidoha, fonon-tsela, fanoloana taova, ary ny fomba hampihenana ny voka-dratsin’ny fanafody eo amin’ny vatana. Maro amin’ny vokatry ny fikarohana nataoko no efa navoaka boky, ary nalaza ny lahatsoratra sasany. Lasa anisan’ny mpahay siansa tao amin’ny Fikambanan’ny Avara-pianarana eto Amin’ny Repoblika Tseky aho. Nanomboka nampianatra tao amin’ny Oniversiten’i Charles aho, taorian’ilay fanavaozana tamin’ny Desambra 1989. Navela hivezivezy tany amin’ny tany tandrefana aho ka nihaona tamin’ny mpahay siansa hafa. Nahazo loka Nobel ny sasany tamin’izy ireny.
Efa mba nieritreritra momba an’Andriamanitra ve ianao?
Azo lazaina hoe eny. Nino an’Andriamanitra ny sasany tamin’ny mpampianatra ahy, ka lasa saina aho hoe nahoana no misy olona nahita fianarana mino an’izany, na dia tsy nisehoseho aza izy ireo noho ny fitondrana kominista. Tamiko dia noforonin’ny olona fotsiny izany Andriamanitra izany. Nanafintohina ahy koa ny habibiana nataon’ny fivavahana.
Nahoana ianao no lasa tsy nino ny evolisiona?
Nanomboka nisalasala aho rehefa nianatra momba ny fitohizan-tselam-pitatitra. Lazaina fa tsotra kely izy ireny, nefa tena nampiaiky ahy ireo pitsipitsiny mahavariana ao aminy. Nanontany tena aho hoe: ‘Dia ho nisy ho azy fotsiny ve ny fitohizan-tselam-pitatitra sy ny fanazavana ao amin’ny fototarazo, izay nahatonga azy ireny?’ Tsy mitombina mihitsy izany.
Nanatrika kaonferansa nataon’ny mpahay siansa sady mpampianatra rosianina nalaza aho, taoriana kelin’ny 1970. Nilaza izy fa tsy avy amin’ny fiovana tampoka sy ny fifantenana araka ny natiora ny zavamananaina. Nisy nanontany izy avy eo hoe dia avy aiza àry. Namoaka Baiboly kely rosianina ilay mpampianatra ka nampiseho izany ary nilaza hoe: “Vakio ny Baiboly, indrindra fa ny momba ny famoronana, ao amin’ny Genesisy.”
Nanontaniako izy taorian’izay, raha tsy vazivazy ilay resaka Baiboly. Mitovitovy amin’izao ny valin-teniny: “Afaka mizarazara ny bakteria iray, isaky ny 20 minitra eo ho eo, ary ahitana proteinina an-jatony. Misy karazana asidra amine 20 mifampitohitohy be ao amin’ny proteinina tsirairay. Hila telo na efatra tapitrisa taona mahery ny bakteria, raha hiova miandalana. Izany anefa no fotoana lazain’ny mpahay siansa maro fa nisian’ny zavamananaina teto an-tany.” Mihevitra izy fa mitombina kokoa izay voalazan’ny Genesisy.
Inona no vokatry ny tenin’ilay manam-pahaizana teo aminao?
Lasa te hiady hevitra tamin’ny mpiara-miasa tamiko sy ny namako, izay samy mpivavaka, aho. Izaho rahateo efa nisalasala. Tsy naharesy lahatra ahy anefa izy ireo. Niresaka tamin’ny manam-pahaizana momba ny fanafody aho, ary Vavolombelon’i Jehovah izy. Nanazava ny Baiboly taminay sy Ema vadiko izy nandritra ny telo taona. Nisy zavatra roa nahagaga anay: Voalohany, hay tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ireo “Fivavahana Kristianina” mahazatra. Faharoa, tena mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly, na dia tsy boky momba ny siansa aza.
Nanelingelina ny fikarohana nataonao ve ilay zavatra vaovao ninoanao?
Tsy izany mihitsy! Miezaka mijery ny zava-misy ny tena mpahay siansa, na inona na inona zavatra inoany. Nanova ahy anefa ny finoako. Natoky tena loatra aho taloha ary tena tia nifaninana sy nirehareha tamin’ny fahaizako Velom-pisaorana an’Andriamanitra anefa aho izao amin’izay rehetra vitako. Rehefa mahita zavaboary mahavariana koa izaho sy ny mpahay siansa maromaro, dia tsy mieritreritra hoe kisendrasendra no nahatonga izany, fa manontany tena izahay hoe: ‘Ahoana àry no nanaovan’Andriamanitra an’ity?’
[Teny notsongaina, pejy 9]
Manontany tena izaho sy ny mpahay siansa maromaro hoe: ‘Ahoana àry no nanaovan’Andriamanitra an’ity?’