LESONA 28
Toy ny Miresaka Andavanandro
TSY saikatsaikatra ny olona mazàna, rehefa miresaka amin’ny namany. Mandeha ho azy ny teniny. Ny olona sasany maresaka be; ny hafa kosa mangingina kokoa. Mahafinaritra anefa ny fitenenana tsotra sy tsy amboamboarina toy izany.
Rehefa manatona olona tsy fantatra anefa isika, dia tsy mety ny miseho ho mifankazatra be loatra na miteny tsy misy fanajana. Any amin’ny firenena sasany aza, izay rehetra manombo-dresaka amin’olon-tsy fantany dia tena manaja be. Tsy maintsy atao araka ny tokony ho izy aloha ny fanehoam-panajana. Arakaraka ny toe-javatra avy eo vao mety tsy hasiana fombafomba be intsony ny fitenenana, fa ho toy ny firesahana andavanandro.
Tsy maintsy mitandrina koa ianao, rehefa eny ambonin’ny lampihazo. Hampihena ny fahamendrehan’ilay fivoriana kristianina sy ny maha zava-dehibe an’izay lazaina ianao, raha miseho ho mifankazatra loatra amin’ny mpihaino. Amin’ny fiteny sasany, dia misy teny fampiasa amin’ny olona be taona, mpampianatra, manam-pahefana, na ray aman-dreny. (Mariho ireo teny ampiasaina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:2 sy Asa. 13:16.) Teny hafa kosa no fampiasa amin’ny vady na ny namana akaiky. Na dia tsy tokony ho fatra-panaja loatra aza isika, rehefa eny ambonin’ny lampihazo, dia tokony haneho fanajana kosa ny fitenintsika.
Misy anefa antony mety hahatonga ny fitenenan’ny olona iray ho toa hentitra be, na manara-pitsipika loatra. Iray amin’izany ny firafitry ny fehezanteniny. Mety hitady hamerina ara-bakiteny ny teny voasoratra ao amin’ny boky na gazety ny mpandahateny. Mazàna anefa no tena hafa be amin’ny teny lazaina ny teny soratana. Marina fa ao anaty boky sy gazety ianao mazàna no manao fikarohana, rehefa manomana anjara na lahateny. Mety homena drafitra vita pirinty ho an’ny lahateninao koa ianao. Raha mamerina ara-bakiteny ny teny sy fehezanteny voasoratra anefa ianao, na mamaky azy ireo ao amin’ilay drafitra vita pirinty, dia tsy ho toy ny miresaka andavanandro ny fandrenesana anao. Lazao amin’ny fiteninao manokana kosa ny hevitrao, ary aza mampiasa fehezanteny sarotra.
Antony iray hafa ny fiovaovan’ny hafainganam-piteny. Matetika no mitovy tantana foana ny fiatoana sy ny hafainganam-piteny rehefa somary fatra-panaja na manara-pitsipika loatra ny fitenenana. Amin’ny resaka tsotra, dia miovaova ny hafainganam-piteny sy ny halavan’ireo fiatoana.
Rehefa mandaha-teny eo anoloan’ny mpanatrika maro be ianao, dia mitenena toy ny amin’ny resaka andavanandro, nefa ampitomboy koa ny hamafin’ny feonao sy ny heriny ary ny hafanam-ponao mba hihazonana ny fahalianan’izy ireo.
Mila mizatra miteny tsara isan’andro ianao, mba hitenenana toy ny miresaka andavanandro eny amin’ny fanompoana. Tsy midika akory izany fa tsy maintsy ho nahita fianarana ambony ianao. Tsara kosa ny manana fahazarana izay hahatonga ny hafa hihaino anao amim-panajana. Jereo raha mila manaraka ireto fanoloran-kevitra ireto ianao, eo amin’ny resaka ataonao andavanandro.
Aza mampiasa teny tsy manaraka fitsipi-pitenenana na mety hampitovy anao amin’ny olona mandika ny fitsipik’Andriamanitra. Araho ny torohevitra ao amin’ny Kolosiana 3:8, ka fadio ny teny tsy mihaja sy ny teny ratsy. Etsy an-danin’izany anefa, tsy misy maha ratsy ny teny mahazatra andavanandro. Tsy teny fatra-panaja be ny teny mahazatra andavanandro, nefa fomba fiteny azo ekena.
Aza mamerina teny mitovy foana, mba hilazana hevitra samy hafa. Mianara hampiasa teny maneho mazava tsara ny tianao holazaina.
Aza mamerina tsy amin’ny antony ny teny vao avy nolazainao, fa ataovy mazava ao an-tsaina aloha ny hevitrao vao mitenena.
Aza mampiasa teny be loatra, ka hanamaizina ireo hevitra tsara lazainao. Mizàra mampiasa fehezanteny tsotra sy mazava mba hilazana ny hevitra tokony hotadidina.
Manehoa fanajana ny hafa amin’ny teninao.