TOKO 21
Tokony Hirehareha ve Isika?
INONA no dikan’ny hoe mirehareha, raha fantatrao?... Ity misy ohatra. Efa nanandrana nanao zavatra tsy dia hainao loatra ve ianao? Angamba nanandrana nandaka baolina ianao, na nanao dihim-bazaha. Nisy nihomehy anao ve tamin’izay sady nilaza hoe: “Izaho mbola mahay noho ianao”?... Nirehareha izany olona izany.
Inona no tsapanao rehefa misy olona manao an’izany? Tianao ve ny toetrany?... Ary inona no tsapan’ny olona, raha mirehareha ianao?... Tsara ve ny milaza hoe: “Izaho mbola tsara noho ianao”?... Tian’i Jehovah ve ny olona toy izany?...
Nahafantatra olona nihevitra ny tenany ho tsara noho ny olon-kafa ilay Mpampianatra Lehibe. Nirehareha, na nieboebo ireo olona ireo, ary nanambany olona. Nilazan’i Jesosy tantara izy ireo, mba hampisehoana fa ratsy izany fireharehany izany. Henoy ange e!
Tantarana Fariseo sy mpamory hetra ilay izy. Mpampianatra ara-pivavahana ny Fariseo, ary matetika no nanao ny tenany ho marina na masina noho ny olon-kafa. Nankany amin’ny tempolin’Andriamanitra tany Jerosalema mba hivavaka ilay Fariseo tao amin’ny tantaran’i Jesosy.
Nolazain’i Jesosy fa nisy mpamory hetra iray koa nankany amin’ny tempoly mba hivavaka. Tsy tian’ny ankamaroan’ny olona ny mpamory hetra, satria noheveriny fa nitady hanambaka azy. Maro tokoa ny mpamory hetra tsy nanao ny marina.
Nanomboka nivavaka toy izao ilay Fariseo: ‘Andriamanitra ô, misaotra anao aho fa tsy mba mpanota tahaka ny olon-kafa. Tsy manambaka olona aho, sady tsy manao zavatra ratsy. Tsy tahaka an’itsy mpamory hetra itsy aho. Olo-marina aho. Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho mba hananako fotoana bebe kokoa hieritreretana momba anao. Omeko ho an’ny tempoly koa ny ampahafolon’ny zavatra rehetra azoko.’ Tena nihevitra ilay Fariseo fa tsara noho ny olon-kafa izy, sa tsy izany?... Ary nolazainy tamin’Andriamanitra koa izany.
Tsy mba toy izany kosa ilay mpamory hetra. Tsy sahy niandrandra ny lanitra akory izy rehefa nivavaka. Nijanona lavitra izy sady niondrika. Tena nanenina noho ny fahotany izy, ka nikapoka ny tratrany. Tsy nanatsara ny tenany tamin’Andriamanitra izy, fa nivavaka kosa hoe: ‘Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.’
Iza tamin’izy roa lahy ireo no nampifaly an’Andriamanitra? Ilay Fariseo nieritreritra ny tenany ho tena tsara ve, sa ilay mpamory hetra nanenina noho ny fahotany?...
Nolazain’i Jesosy fa ilay mpamory hetra no nampifaly an’Andriamanitra. Nahoana? Hoy i Jesosy: ‘Satria izay manao ny tenany ho tsara no haetry, fa izay mihevitra ny tenany ho ambany kosa no hasandratra.’—Lioka 18:9-14.
Inona no fampianarana nomen’i Jesosy tamin’io tantara io?... Nampianatra izy fa ratsy raha mihevitra ny tenantsika ho tsara noho ny olon-kafa isika. Mety tsy hiteny isika hoe mihevitra ny tenako ho tsara noho ny olona aho. Mety hampiseho izany anefa ny fihetsitsika. Efa nitranga taminao ve izany?... Eritrereto ny apostoly Petera.
Niteny tamin’ny apostoliny i Jesosy fa, rehefa hosamborina izy, dia hilaozan’izy ireo. Nirehareha toy izao anefa i Petera: ‘Na dia handao anao aza ny rehetra, izaho tsy mba handao anao mihitsy!’ Diso hevitra anefa izy. Natoky tena loatra izy. Tena nandao an’i Jesosy izy. Niova anefa izy, araka ny hianarantsika ao amin’ny Toko 30.—Matio 26:31-33.
Andeha indray haka ohatra amin’izao androntsika izao. Misy fanontaniana apetraka aminao sy ny namanao any am-pianarana. Ahoana raha tonga dia voavalinao ilay izy, fa tsy nahavaly kosa ilay namanao? Mazava ho azy fa faly ianao satria nahita ilay valiny. Ho tsara ve anefa raha mampitaha ny tenanao amin’io namanao io ianao?... Mety ve ny manambony ny tenanao, ary manambany azy?...
Izany no nataon’ilay Fariseo. Nirehareha izy satria tsara noho ilay mpamory hetra, hono, izy. Nolazain’ilay Mpampianatra Lehibe anefa fa diso hevitra io Fariseo io. Marina fa mety hahavita zavatra tsara kokoa noho ny olon-kafa ny olona iray. Tsy midika anefa izany fa tena olona tsara kokoa izy.
Tokony hirehareha ve isika raha mahafantatra zavatra betsaka kokoa noho ny olon-kafa?... Eritrereto izao. Isika ihany ve no nanao ny atidohantsika?... Tsia. Andriamanitra no nanome atidoha antsika. Ary nisy olona nampianatra antsika ny ankamaroan’ny zavatra haintsika. Angamba novakintsika tao anaty boky ilay izy, na nolazain’ny olona tamintsika. Na dia tsy nisy olona nanampy antsika aza, ahoana no nahaizantsika an’ilay izy?... Ie, nampiasaintsika ny atidoha nomen’Andriamanitra antsika.
Zavatra mampahery no tsara holazainao amin’ny olona miezaka mafy. Lazao aminy fa tianao ny zavatra nataony. Azonao atao mihitsy aza ny manampy azy hanao tsaratsara kokoa. Izany koa no tiantsika hataon’ny olona amintsika, sa tsy izany?...
Misy matanjaka noho ny olon-kafa. Ahoana raha matanjaka noho ireo zokinao sy zandrinao ianao? Tokony hirehareha ve ianao?... Tsia. Ny sakafo hanintsika no mampahatanjaka antsika. Andriamanitra no manome masoandro sy orana ary ny zavatra rehetra ilaina mba hampaniry ireo zavatra ataontsika sakafo, sa tsy izany?... Andriamanitra izany no tokony hisaorantsika raha matanjaka isika.—Asan’ny Apostoly 14:16, 17.
Tsy misy amintsika tia mihaino olona mirehareha, sa ahoana?... Tadidio ireto tenin’i Jesosy ireto: ‘Araka izay tianao hataon’ny olona aminao, no mba ataovy aminy koa.’ Tsy hanahaka an’ilay Fariseo tao amin’ny tantara nolazain’ilay Mpampianatra Lehibe mihitsy isika, raha manao izany.—Lioka 6:31.
Nisy olona niantso an’i Jesosy hoe tsara. Nilaza ve izy hoe: ‘Ie, tsara aho’?... Tsia, tsy nilaza izany izy. Hoy kosa izy: ‘Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.’ (Marka 10:18) Lavorary ilay Mpampianatra Lehibe, nefa tsy nirehareha. I Jehovah Rainy no noderainy.
Iza izany no tokony hoderaintsika?... Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika. Rehefa mahita masoandro mody tsara tarehy, na zavaboary hafa mahavariana isika, dia afaka miteny amin’ny olona hoe: ‘Jehovah Andriamanitray no nanao an’io!’ Aoka isika ho vonona hiresaka foana momba ireo zavatra mahagaga efa nataon’i Jehovah sy mbola hataony.
Vakio ireto andininy miresaka momba ny fireharehana ireto, ary ianaro ny fomba tokony handosirantsika izany fireharehana izany: Ohabolana 16:5, 18; Jeremia 9:22, 23; 1 Korintianina 4:7 ary ny 13:4.