Inona no Hiafaran’ny Fiainanao?
• Olona maro no variana amin’ny fiainana andavanandro, ka tsy mieritreritra firy izay hiafarany.
• Mampitandrina antsika ny Baiboly fa hisy zava-dehibe hitranga amin’ny hoavy. Lazainy koa fa hiova tanteraka izao tontolo izao. Misy zavatra tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny hahazo fitahiana sy ho tafavoaka soa aman-tsara amin’izany.
• Misy olona mahalala izay lazain’ny Baiboly sy miezaka hampihatra izany, kanefa resin’ny fanahiana eo amin’ny fiainana.
• Mahafa-po anao ve ny fomba fiainanao? Rehefa misy zavatra kasainao hatao, moa ve ianao mandinika izay mety ho vokany any aoriana?
[Efajoro/Sary, pejy 9]
Inona no Zava-dehibe Indrindra Aminao?
Alaharo ireto lisitra ireto, arakaraka izay heverinao ho manan-danja kokoa.
Ilaina ny ankamaroan’izy ireo, kanefa raha tsy maintsy misafidy ianao, inona no hataonao amin’ny toerana voalohany, faharoa, sns.?
․․․ Fahafinaretana na fialam-boly
․․․ Asa aman-draharaha
․․․ Fahasalamana
․․․ Izay hahasambatra ahy
․․․ Vady
․․․ Ray aman-dreny
․․․ Zanaka
․․․ Trano tsara tarehy, fitafiana lafo vidy
․․․ Faniriana hisongadina amin’izay rehetra atao
․․․ Fanompoana an’Andriamanitra
[Efajoro, pejy 10, 11]
Manampy Anao Hanatratra ny Tanjonao ve ny Safidy Ataonao?
FANONTANIANA HOSAINTSAININA
FAHAFINARETANA NA FIALAM-BOLY: Tsy mandreraka ve ny fialam-boly fidiko? Mety hanimba ny fahasalamako na hampitondra takaitra mandra-pahafaty mihitsy ve izy io? Moa ve izy io zavatra ahitana fahafinaretana mandritra ny ora vitsy monja, nefa mety hitondra alahelo maharitra? Na dia tsara aza ny fialam-boly fidiko, be loatra ve ny fotoana laniko amin’izy io, ka tsy vitako intsony ireo zava-dehibe kokoa?
ASA AMAN-DRAHARAHA: Manampy ahy hahazo izay ilaiko ve ny asako, sa izaho indray no lasa andevoziny? Mandreraka loatra ve ilay izy, ka misy vokany ratsy amin’ny fahasalamako? Aleoko ve miasa mandritra ny ora fanampiny, toy izay hiaraka amin’ny vadiko na ny zanako? Raha angatahin’ny mpampiasa ahy aho mba hanao zavatra tsy eken’ny feon’ny fieritreretako na asa manakantsakana ny fanompoako an’Andriamanitra, hanaiky ve aho satria matahotra ny ho voaroaka?
FAHASALAMANA: Tsy miraharaha ny fahasalamako ve aho, sa miezaka mitandrina azy io hatrany? Izy io foana ve no ambentin-dresako? Mitandro ny fahasalamako ve aho ho fitsinjovana ny fianakaviako?
IZAY HAHASAMBATRA AHY: Izany ve no tena tadiaviko? Izay hahasambatra ny tenako ve no ataoko ambony noho ny an’ny vadiko na ny fianakaviako? Mety amin’ny mpanompon’ilay Andriamanitra marina ve ny fomba anaovako izany?
VADY: Rehefa misy zavatra ilaiko ihany ve vao heveriko ho toy ny namana ny vadiko? Manaja ny vadiko ve aho, ka tsy mihevitra azy ho olona ambany? Mifanaraka amin’izay takin’Andriamanitra ve ny fomba itondrako ny vadiko?
RAY AMAN-DRENY: Ankizy tsy ampy taona: Mankatò ny ray aman-dreniko ve aho, ka miresaka amim-panajana, sy mamita ny raharaha ampanaoviny, ary manaja ny ora fodiana noferan’izy ireo? Mankatò koa ve aho rehefa tsy avelany hiaraka amin’ny olona sasany na hanao zavatra sasany? Zanaka efa lehibe: Mihaino ny ray aman-dreniko amim-panajana ve aho, ary manampy azy ireo rehefa ilaina izany? Manaraka ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ve aho rehefa mifandray amin’izy ireo, sa manao izay tiako fotsiny?
ZANAKA: Tsapako ve fa andraikitro ny mampianatra ny zanako ny fitondran-tena tsara, sa ny sekoly no andrasako hanao izany? Manokana fotoana hiarahana amin’ny zanako ve aho, sa ny kilalao na tele na ordinatera no ataoko naman’izy ireo? Rehefa manao zavatra mahatezitra ahy ihany ve ny zanako vao saziko, sa isaky ny mandika ny fitsipik’Andriamanitra?
TRANO TSARA TAREHY, FITAFIANA LAFO VIDY: Ny mba hisongadina eo amin’ny fiaraha-monina ve no antony ividianako akanjo sy fananana? Sa ny hahasoa ny fianakaviako? Sa ny hanome voninahitra an’Andriamanitra?
FANIRIANA HISONGADINA AMIN’IZAY REHETRA ATAO: Zava-dehibe amiko ve ny manao zavatra amin’ny fomba tsara? Te hisongadina foana ve aho? Sosotra ve aho raha misy olon-kafa mahavita zavatra tsara kokoa noho izaho?
FANOMPOANA AN’ANDRIAMANITRA: Zava-dehibe kokoa amiko ve ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra noho ny fankasitrahan’ny vadiko, na zanako, na ray aman-dreniko, na ny mpampiasa ahy? Hampandeferiko ve ny fanompoana an’Andriamanitra mba hampisondrotra ny fari-piainako?
DINIHO TSARA NY TOROHEVITRY NY BAIBOLY
Tena zava-dehibe eo amin’ny fiainanao ve ny fanompoana an’Andriamanitra?
Mpitoriteny 12:13: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.”
MANONTANIA TENA HOE: Hita taratra amin’ny fiainako ve fa manao izany aho? Ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra ve no mibaiko ny zavatra ataoko ao an-trano, na any am-piasana, na any am-pianarana? Sa ny zavatra hafa na ny faneren’ny fiainana no mibaiko ny fotoana atokako ho an’Andriamanitra?
Manao ahoana ny fifandraisanao amin’Andriamanitra?
Ohabolana 3:5, 6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”
Matio 4:10: “Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.”
MANONTANIA TENA HOE: Izany ve no tsapako momba an’Andriamanitra? Hita taratra eo amin’ny fiainako andavanandro sy ny fomba iatrehako zava-manahirana ve fa matoky azy sy mahafoy tena ho azy aho?
Tena zava-dehibe aminao ve ny famakiana sy fianarana Baiboly?
Jaona 17:3: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”
MANONTANIA TENA HOE: Tena mino an’io teny io ve aho, ka omeko toerana lehibe eo amin’ny fiainako ny famakiana sy fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra?
Tena zava-dehibe aminao ve ny fanatrehana ireo fivorian’ny fiangonana?
Hebreo 10:24, 25: “Aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, ... mainka satria hitanareo fa manakaiky ny andro.”
Salamo 122:1: “Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah.”
MANONTANIA TENA HOE: Hita taratra eo amin’ny fiainako ve fa mankasitraka an’io tari-dalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra io aho? Nisy fotoana tsy nandehanako nivory ve tamin’iny volana lasa iny, satria nilaozako nanao zavatra hafa?
Mazoto miresaka momba an’Andriamanitra sy ny fikasany amin’ny hafa ve ianao?
Matio 24:14: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona ... vao ho tonga ny farany.”
Matio 28:19, 20: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”
Salamo 96:2, 3: “Mihirà ho an’i Jehovah, misaora ny anarany; lazao isan-andro isan-andro ny famonjeny mahafaly.”
MANONTANIA TENA HOE: Tena zava-dehibe eo amin’ny fiainako ve io asa io? Moa ve ny ezaka ataoko mba hanatanterahana azy io mampiseho fa tena inoako hoe antomotra ny farany?