ABIMAELA
(Abimaèla).
Taranak’i Sema avy tamin’i Arpaksada. I Joktana no rain’i Abimaela, ary rahalahin’i Joktana i Palega, razamben’i Abrahama. (Ge 10:28; 1Ta 1:17-27) Azo inoana fa i Abimaela sy ny rahalahiny 12 no razamben’ireo foko arabo 13, izay niorim-ponenana tao amin’ny Saikinosin’i Arabia.