ASAHELA
(Asahèla) [Nanao Andriamanitra].
1. Zanakalahin’i Zeroia anabavin’i Davida (mety ho iray tam-po aminy na anabaviny hafa ray). Rahalahin’i Abisay sy Joaba i Asahela. (1Ta 2:15, 16) Nomem-boninahitra izy satria anisan’ireo 30 lahy mpiady niavaka tao amin’ny tafik’i Davida. Nalaza izy satria haingam-pandeha “toy ny gazela any an-tsaha.” (2Sa 2:18; 23:24) Izay indrindra anefa no nahavoa azy. Nikiry nanenjika an’i Abnera mantsy izy na dia efa niangaviana indroa mba hijanona aza, ka nasian’i Abnera tamin’ny vodilefona ny kibony, ary maty tsy tra-drano teo izy. Nitranga izany taorian’ny fifanintsanana teo amin’ny Dobon’i Gibeona ka resy ny tafiky ny Israelita notarihin’i Abnera. Noho ny fiangavian’i Abnera, dia nasain’i Joaba nijanona tsy nanenjika intsony ny tafik’i Joda. Nitana lolompo anefa i Joaba noho ny nahafatesan’i Asahela rahalahiny, ka nahita tetika hamonoana an’i Abnera tamin’ny sabatra izy tatỳ aoriana.—2Sa 2:12-28; 3:22-27.
Lazain’ny 1 Tantara 27:7 fa i Asahela dia mpitari-tafiky ny antoko-miaramila iray, tamin’ireo antoko nifandimby isam-bolana. Efa maty anefa i Asahela talohan’ny nanjakan’i Davida teo amin’ny Israely rehetra. Ny ankohonan’i Asahela àry no tian’ny 1 Tantara 27:7 horesahina. I Zebadia zanany lahy no nisolo tena an’ilay ankohonana tamin’izay, satria izy no voalaza fa nandimby an’i Asahela. Hoy kosa ny boky iray: “Mety ho ny lisitry ny tafik’i Davida tany am-boalohany io ananantsika io. Efa tamin’izy lasa mpanjakan’ny Joda no voalamina ny tafiny. Nohavaozina anefa ilay lisitra rehefa nandimby an’i Asahela i Zebadia zanany, ka lasa mpitari-tafika.”—Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky 1, p. 244; ampit. 1Ta 12.
2. Iray tamin’ireo Levita voatendry hampianatra ny Lalàna nanerana ny tanin’i Joda, nanomboka tamin’ny taona fahatelo nitondran’i Josafata Mpanjaka (934 T.K.).—2Ta 17:7, 8; ampit. De 33:8-10.
3. Mpiadidy nanompo tao amin’ny tempoly tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka (745-717 T.K.), ka izy no niandraikitra ny fanomezana sy ny ampahafolon-karena.—2Ta 31:13.
4. Rain’ilay Jonatana niara-belona tamin’i Ezra.—Ezr 10:15; jereo JAHAZA No. 1.