BEROTA
(Beròta), Berotahy (Berotàhy) [Lavadrano].
Toerana voaresaka ao amin’ny fahitana azon’i Ezekiela momba ny anjara tany lovan’ny Israely. Voalaza ao fa eo amin’ny sisin-tany avaratra, teo anelanelan’i Hamata sy Sibraima no nisy an’i Berota. (Ezk 47:16) Toa izy io ihany no ilay Berotahy resahin’ny 2 Samoela 8:8, tanànan’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba. Tany Berotahy i Davida no naka “varahina be dia be.” Andininy mifanitsy amin’io ny 1 Tantara 18:8, ary Kona no ao fa tsy Berotahy. Maro no milaza an’i Berota (na Berotahy) ho i Britel (Bereitan), tokotokony ho 10 km any atsimoandrefan’i Balabeka any amin’ilay lohasaha antsoina hoe Bekaʽ, eo anelanelan’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona sy ny Tandavan-tendrombohitra Amana (Anti-Liban ankehitriny).