FANAZAVANA MAHALIANA
Ny Tany Nampanantenaina
TENA mahavariana ny fahasamihafan’ny toetany sy ny vohon-tany ao amin’ilay tany nomen’Andriamanitra ny Israely fahiny: Rakotra lanezy ireo tampon-tendrombohitra any avaratra; toetanin’ny tany mafana kosa no hita any atsimo. Ahitana lohasaha lonaka, havoana misy saham-boankazo sy kijana, ary tany efitra ngazana koa any. Hita ao amin’io faritra kely io avokoa rehefa mety ho toetany sy vohon-tany misy eto an-tany.
Lemaka lonaka no eo atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Eo atsinanan’io lemaka lavalava io no misy an’i Sefela, izay faritra feno havoana iva rakotra tanimboaloboka sy sahan’oliva. Tandavan-tendrombohitra no any atsinanana kokoa, ka toy ny hazondamosina be manaraka ny halavan’ilay tany. Toy ny hoe mitresaka tampoka manaraka ny halavany ny tany eo atsinanan’izy io. Io ilay Lohasaha Mitsefaka izay ikorianan’ny Reniranon’i Jordana, miolikolika avy any amin’ny Ranomasin’i Galilia mankany amin’ny Ranomasin-tsira. Havoana lonaka sy kijana no any atsinanan’i Jordana. Tapitra hatreo ny tany mahafinaritra, fa ny Tany Efitr’i Arabia no ao atsinanan’izay.
Tamin’ny fotoana nampiroborobo ny Tany Nampanantenaina, dia toy ny zaridainan’i Edena mihitsy izy io, noho ny zavatra maro samihafa hita tao. Hita taratra kely tao amin’ny tanin’ny Israely àry ny Paradisa maneran-tany eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra.