GODORAO
Akora mainty na somary mivolontsôkôlà madity (asfalta). Teny hebreo telo no ilazana azy io: Zefet ilay izy raha ranony, hemar raha mivaingana, ary kôfer raha ampiasaina amin’ny rafitra hazo. (Jereo GODORAO RANONY.) Tsy tantera-drano ny godorao, ka efa nampiasain’ny olona talohan’ny Safodrano. Nodidiana toy izao, ohatra, i Noa rehefa hanao ny sambofiara: ‘Hosory godorao ny atiny sy ny ivelany.’—Ge 6:14.
Tsy tantera-drano ilay vata kely zozoro nametrahana an’i Mosesy zaza, ary nitsingevana teny akaikin’ny bararata teo amin’i Neily satria nopetahana “godorao mivaingana sy godorao ranony.” (Ek 2:3) Hitan’ireo nanorina ny tanànan’i Babylona fa tsy tantera-drano sady miraikitra tsara ny godorao, ka nataony rihitra nanakambanana biriky nodorana tao anaty lafaoro.—Ge 11:3.
“Be lavaka godorao” (“lavak’asfalta”, Prot.) ny Lohasahan’i Sidima fahiny, teny akaikin’i Sodoma sy Gomora tany amin’ny faritry ny Ranomasina Maty. (Ge 14:10) Ahitana godorao eny amoron’ny Ranomasina Maty indraindray, ka mety ho any ambanin’izy io i Sidima ankehitriny. Mora mirehitra ny godorao, ka naminany i Isaia fa “ho toy ny godorao mirehitra” ny tany Edoma.—Is 34:9.