KANDASY
(Kandàsy).
Mpanjakavavin’i Etiopia. Lasa Kristianina ilay mpiadidy ny harenany. (As 8:27) Anaram-boninahitra ny hoe “Kandasy”, tsy misy hafa amin’ny hoe “Farao” sy “Kaisara.” Niantso an’ireo mpanjakavavin’i Etiopia hoe “Kandasy” koa ireo mpanoratra fahiny toa an’i Strabon sy Pline Zokiny ary Eusèbe. Nilaza i Pline Zokiny (taona t. 23-79) fa “nisy trano vitsivitsy tao amin’ilay tanàna [Méroé, renivohitr’i Etiopia fahiny]. Vehivavy iray natao hoe Kandasy, hono, no nanjaka tao. Izany no anarana nentin’ireo mpanjakavavy nifandimby nandritra ny taona maro.”—Tantaran’ny Zavaboary, VI, XXXV, 186.