LOKO
Tsy misy karazany maro be toy ny ankehitriny ny teny ilazana ny loko ao amin’ny Baiboly. Nilaza ny mombamomba an’ilay zavatra noresahiny fotsiny ny mpanoratra, na nampitaha azy io tamin-javatra fantatr’olona tsara (Ek 16:31; Ap 1:14), toy ny ra, lanezy, vorona, afo, vatosoa, sy ny sisa. (2Mp 3:22; Sl 51:7, f.a.p.; To 5:11; Ap 6:4; 9:17) Nampiasaina tamin’ny heviny an’ohatra koa ny loko, ary misy dikany voafaritra tsara ny loko sasany.
Fotsy: Loko tena resahin’ny Baiboly matetika. Ilazana lokon-javatra ny fotsy, ary ilazana an’izay marina sy tsy misy tsiny eo amin’ny lafiny ara-panahy. (Ap 3:4; 7:9, 13, 14) Manondro ady madio sy ara-drariny ilay soavaly fotsy itaingenan’i Jesosy Kristy.—Ap 6:2; 19:11.
Nanao akanjo fotsy ny mahantra sy ny olona ambony. Aseho ho toy ny niakanjo fotsy ny anjely matetika. (Mr 16:5; Jn 20:12; Ap 19:14) Voalaza fa fotsy koa ny volo (Le 13:3; Mt 5:36), ny nofo (Le 13:16), ary ny seza fiandrianan’ilay Andriamanitra mitsara ara-drariny (Ap 20:11). Toy ny fasana voalalotra fotsy ny mpanora-dalàna sy Fariseo, hoy i Jesosy. (Mt 23:27) Nanao an’io fanoharana io izy satria fanao talohan’ny Paska ny nandalotra fotsy an’ireo fasana nanodidina an’i Jerosalema, sao nahakasika azy ireny ka lasa naloto ireo tonga hankalaza ilay fety. Misy koa ny loko fotsy somary mena (Le 13:19, 24) sy fotsy vasobasoka (Le 13:39).
Mainty: Ilazana ny lokon’ny volo (Le 13:31; Mt 5:36), soavaly (Za 6:2, 6), hoditra (Jb 30:30), ary masoandro (Ap 6:12). Tsy inona ilay soavaly mainty ao amin’ny Apokalypsy 6:5, 6 fa ny mosary. Resahin’ny Baiboly koa ny “marbra mainty” sy “manjamaso mainty.”—Es 1:6; Je 4:30.
Maitso: Matetika resahin’ny Baiboly, saingy mahalana vao ilazana lokon-javatra. Ilazana zavamaniry mandrobona tsara, na fahavitrihana na fiadanana kosa io loko io. (Ge 1:30; 9:3; Ek 10:15; 2Mp 19:26; Ap 8:7) Maitso somary mavo ny faritra nisy habokana teny amin’ny akanjo sy ny trano vato nolalorina, sy ny lokon’ny volamena voadio.—Le 13:49; 14:37; Sl 68:13.
Manga: Ilazana ny lokon’ny zavatra nolokoana, toy ny kofehy sy lamba ary akanjo. (Ek 26:4, 31, 36; 39:22; No 4:7) Nasaina nanisy kofehy manga teo ambonin’ny mikiramborambo amin’ny morontongotr’akanjony ny Israelita tsirairay. (No 15:38, 39) Nisy loko manga tsara tarehy koa ireo fiarovan-tratra resahin’ny Apokalypsy 9:17.
Mavo sy mavo toy ny solifara.—Le 13:30, 32, 36; Ap 9:17.
Mena antitra: Anisan’ny lokon’ny zavatra nolokoana lafo vidy. (2Ta 2:7, 14; 3:14) Oharina amin’ny loko mena antitra ny ota.—Is 1:18.
Mena midorehitra: Mena somary mamiratra. Ilazana ny lokon’ny tady, kofehy, lamba, ary akanjo izy io, na anoharana ny ota. (Ge 38:28, 30; No 4:8; Js 2:18; Je 4:30; Mt 27:28; Is 1:18) Mena midorehitra ilay “bibidia” (and. 3) resahin’ny Apokalypsy toko faha-17, fa tsy toa an’ilay resahin’ny toko faha-13. Volomparasy sy mena midorehitra koa ny akanjon’ilay mpivaro-tena mitaingina an’ilay bibidia. (Ap 17:3-5) Mihambo ho mpanjaka àry ilay “bibidia”, ary manan-karem-be sy toy ny mpanjakavavy ilay mitaingina azy.
Mena sy mena somary mavo: Ilazana ny lokon’ny volo (Ge 25:25), hoditr’ondry nolokoana (Ek 25:5), biby (No 19:2; Mpts 5:10; Za 1:8), fitafiana (Is 63:2), ary ny lanitra takariva (Mt 16:2, 3). Avy amin’ny hoe dam (“ra”) ny teny hebreo nadika hoe “mena” (ʼadôm).—Ge 25:30; 9:6.
Mena toy ny afo: Lokon’ilay dragona lehibe na Satana Devoly. (Ap 12:3) Manondro ny ady ifanaovan’ireo firenena ilay soavaly mena toy ny afo.—Ap 6:4.
Mena volon-daoranjy (Je 22:14; Ezk 23:14): Loko vita tamin’ny oksidana vy na oksidana firamainty. Toa ny Fenisianina no nampiditra azy io tany Israely. Nohafarany avy tany Afrika Avaratra io loko vita nanahary io. Nisy toerana fakana an’ilay loko koa tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, tatỳ aoriana.
Mivolontsôkôlà: Ilazana ny lokon’ny ondry ihany.—Ge 30:32, 33, 35, 40.
Volomparasy sy volomparasy somary mena: Matetika resahin’ny Baiboly, na dia tsy avahany aza ireo karazana loko volomparasy mety ho azo avy amin’ny loko na fomba fandokoana samy hafa. (Ek 25:4; No 4:13; Ezk 27:7, 16; Da 5:7, 29; Mr 15:17, 20; Lk 16:19; Ap 17:4) Lafo be ny loko volomparasy, ka izy io matetika no lokon’akanjon’ny mpanjaka sy ny mpanankarena ary ny olo-nanan-kaja, na namantarana azy ireo.
Volondavenona somary mena: Lokon’ny volonondry lafo vidy sasany.—Ezk 27:18.
Loko mifangaro: Misy teny maromaro ilazana loko tsy dia voafaritra loatra na loko mifangaro, toy ny hoe mara (Ge 30:32, 33), marevaka (Is 63:1), maro loko (Je 12:9; Ezk 27:7, 16, 24), maramara (Za 6:3, 7), somary mena (1Sa 16:12; To 5:10), misy pentimpentina (Za 6:3, 6), misoritsoritra (Ge 31:10, 12) na mitsipitsipika (Ge 37:3; 2Sa 13:19), mivalomainty (To 1:6), miloko roa (Ezk 27:24), ary samihafa loko (Ezk 16:16; 17:3).—Jereo FANDOKOANA LAMBA.
Lamba nampitafiana an’i Kristy. Misy milaza fa mifanohitra ny Baiboly satria tsy mitovy, hono, izay voalaza ao momba ny lokon’ilay lamba nampitafiana an’i Jesosy Kristy, tamin’ny andro hamonoana azy. I Matio mantsy niteny hoe “lamba mena midorehitra” no ‘nampitafian’ny’ miaramila azy (Mt 27:28), fa i Marka sy Jaona kosa nilaza fa volomparasy ilay izy. (Mr 15:17; Jn 19:2) Vao mainka anefa asehon’ireo andininy ireo fa samy nanana ny fomba fanoratany ireo mpanoratra ny Filazantsara, ary tsy niray tsikombakomba izy ireo. Mena no fahitan’i Matio ny lokon’ilay lamba, ary izay no nasongadiny. Matroka kokoa kosa ny loko mena hitan’i Jaona sy Marka, ka nataony hoe volomparasy ilay izy. Loko mena sy manga mifangaro mantsy no ahazoana “volomparasy.” Nitovy hevitra tamin’i Matio àry i Marka sy Jaona hoe nanopy mena ilay lamba. Mety ho niankina tamin’ny manodidina sy ny tara-pahazavana koa ny fahitana ny lokon’ilay lamba. Mety hiovaova, ohatra, ny lokon’ny farihy iray amin’ny fotoana samy hafa, arakaraka ny lokon’ny lanitra sy ny tara-pahazavana. Tsy mifanohitra àry ny tenin’ireo mpanoratra ny Filazantsara, momba ny lokon’ilay lamba nampanaovin’ny miaramila romanina an’i Kristy tamin’ny andro nahafatesany.