KÔMPÀ
Fitaovan’ny mpandrafitra na mpanao asa tanana anoritana faribolana na antsasa-paribolana eo amin’ny takela-kazo na zavatra hafa. Ao amin’ny Isaia 44:13 ihany no misy hoe kômpà. Voalaza ao fa mampiasa tady fandrefesana sy tsaoka mena ary fandraka ny mpanao sokitra hazo mba hanamboarana sampy. “Mampiasa kômpà mba hanaovana soritra [boribory tsara] eo amin’ilay hazo” koa izy. “Amboariny tsikelikely haka endrik’olona izany, eny, ataony tsara tarehy tahaka ny olombelona, mba hapetraka ao an-trano.” Iray tarika amin’ny hoe hog (faribolana, boribory) ny teny hebreo hoe “kômpà” (mehogah).—Oh 8:27; Is 40:22.