EBERA
(Ebèra) [avy amin’ny fototeny midika hoe “miampita”; na “eny ampita”].
Anarana lehilahy dimy ao amin’ny Baiboly. Hita ao amin’ny Nomery 24:24 koa ny hoe Ebera, izay ilazana ny olona manana firazanana hebreo, na ilazana faritra iray. Nadika hoe “ny Hebreo” ny hoe “Ebera” ao amin’io andininy io, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Peshitta syriàka ary ny Vulgate latinina. Mety ho ny tany na ny firenena teny ‘ampitan’ny’ Reniranon’i Eofrata (ankoatra an’i Asyria voalaza ao amin’io andininy io) anefa no tiana holazaina amin’ny hoe “Ebera” ao. Enti-manondro an’ilay faritra any andrefan’i Eofrata, indraindray, ilay teny hebreo nadika hoe any “ampitan’ny Renirano” (heb.: ʽever hannahar). (Ne 2:7, 9; 3:7) Io teny hebreo io koa no adika hoe “atỳ ampitan’ny Renirano” (TV) na “atsimo andrefan’ny ony Eofrata” (1Mp 5:4, DIEM), ao amin’ny 1 Mpanjaka 4:24. Ny teny aramianina mifanitsy amin’io teny io kosa dia manondro ny faritr’i Syria sy Palestina.—Ezr 4:10, 11, 16, 17, 20; 5:3, 6; 6:6, 13.
1. Anisan’ny razamben’i Abrahama. Zanakalahin’i Sela i Ebera, ary rain’i Palega sy Joktana ary ireo zanany hafa. Mbola velona 191 taona teo ho eo i Ebera taorian’ny nahafatesan’i Palega. Tamin’ny andron’i Palega no “voazarazara ny tany.” Angamba izany tamin’ny fotoana nampisafotofotoan’i Jehovah ny fitenin’ireo nanorina an’i Babela sy ilay tilikambo tao, izay natao teo ambany fitarihan’i Nimroda.—Ge 10:25; 11:14-19, 26.
Lazain’ny Genesisy 10:21 fa “razamben’ny zanakalahin’i Ebera rehetra [“razamben’ny Hebreo rehetra”, AT, Mo]” i Sema, “sady rahalahin’i Jafeta izay zokiny indrindra.” Resahina ho mpihavana akaiky amin’i Sema i Ebera eo, satria manana ny lanjany ao amin’ny Baiboly ny taranany, indrindra nanomboka teo amin’i Abrahama. Tsy milaza àry io andininy io hoe ny Hebreo ihany no taranak’i Sema. Hita amin’ireo andininy manaraka izany. Toa nanorim-ponenana tany Arabia ny taranak’i Ebera avy tamin’i Joktana, fa ny taranany avy tamin’i Palega kosa tany Mezopotamia.
2. Gadita nonina tany Basana, ary taranak’i Abihaila.—1Ta 5:11, 13, 14.
3. Benjamita zanakalahin’i Elpala.—1Ta 8:12.
4. Filoha avy amin’ny fokon’i Benjamina, ary anisan’ireo zanakalahin’i Sasaka.—1Ta 8:22-25, 28.
5. Mpisorona levita sady lohan’ny fianakaviamben’i Amoka. Azo antoka fa niara-belona tamin’i Ebera i Joiakima Mpisoronabe sy Nehemia Governora ary Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna.—Ne 12:12, 20, 26.