EPIKOREANINA
(Epikoreanìna).
Mpanara-dia an’i Épicure, filozofa grika (341-270 T.K.).
Be mpanaraka nandritra ny 700 taona ilay filozofian’i Épicure hoe ny fahafinaretan’ny olona iray no hany tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Nampirisihiny àry ny olona mba hikatsaka fahafinaretana faran’izay betsaka dieny mbola velona, nefa koa hahalala onony sao hijaly raha manaram-po loatra. Ny fahafinaretan’ny saina fa tsy ny an’ny nofo no tena nasongadiny. Zava-dehibe kokoa noho ny sakafo hanina àry, hoy i Épicure, ny olona iarahana misakafo. Tokony hofehezina, hono, izay faniriana tsy ilaina, indrindra fa ireo vokatry ny zavatra hita sy re. Tsy nampirisihina koa ny hoe mianatra, mandala kolontsaina, ary manao asa sosialy sy politika satria mety hampitsiry faniriana sarotra omena fahafaham-po, ka hampikorontan-tsaina. Ny hahatonga ny olona tsy hatahotra an’ireo andriamanitra sy ny fahafatesana ary tsy hinohino foana, hono, no hany ilana ny fahalalana. Mampikorontan-tsaina, hoy i Épicure, ny fanambadiana sy ny andraikitra entin’izany, ka tsy nanambady izy nefa tsy nanery ny hafa hanao toa azy.
Tsy nisy fitsipika nifehy azy ny Epikoreanina. Mahamenatra ny hoe tratra na voasazy, ka izay fotsiny no antony tsy nandikany lalàna. Tsy mahafinaritra mantsy, hono, ny mitebiteby lava hoe sao ho tratra na ho voasazy, ka naleony tsy nanao ratsy na dia tsy nisy nahita aza. Tsy zava-dehibe tamin’izy ireo koa ny nanao ny tsara, raha tsy hoe nanampy azy ho sambatra angaha izany. Nampirisihina hifanampy izy ireo raha nisy soa azo avy tamin’izany, fa tsy hoe satria tena tsara sy tokony hatao izany. Tia tena izy ireo ka fitadiavana fahafinaretana fotsiny no nahatonga azy hinamana tamin’ny hafa. Ny hahazo fahafinaretana no tena nampianarin’i Épicure, nefa mahagaga fa nolazainy hoe “fanomezana mangidy” ny fiainana.
Nino ny Epikoreanina hoe misy andriamanitra, saingy noheveriny fa fitambarana ataoma ny vatan’izy ireny, toy ny an’ny zava-drehetra ihany, fa ataoma madinika kokoa fotsiny. Lavitra loatra azy ireny, hono, ny tany ary tsy niraharaha an’izay nataon’ny olona izy ireny, ka tsy nilaina ny nivavaka taminy na nanao sorona ho azy. Tsy nino izy ireo hoe namorona an’izao rehetra izao izy ireny, na hoe manasazy sy mitahy. Tretrika anefa, hono, izy ireny, ka ny ho toa azy no tanjona eo amin’ny fiainana, saingy tsy afaka manampy ny olona ho sambatra toy izany izy ireny. Nilaza koa izy ireo fa nisy noho ny kisendrasendra ny fiainana, ary mifarana eo amin’ny fahafatesana ny zava-drehetra, anisan’izany ny fiainana mampahory. Nino ny Epikoreanina fa manana fanahy ny olona nefa fitambarana ataoma koa, hono, izy io, ka levona rehefa maty ny vatana, toy ny rano raraka rehefa vaky ny fitoerany.
Tsy mahagaga àry raha anisan’ny niady hevitra tamin’i Paoly tany an-tsenan’i Atena ny Epikoreanina, ka nilaza hoe: “Mba inona, hono, no tian’io be resaka io holazaina?” “Toa mpitory momba ny andriamanitra vaovao, hono, izy io.” (As 17:17, 18) Tsy ninoan’izy ireo ilay hafatra notorin’ny Kristianina hoe mbola hitsangana ny maty, fa ny filozofiany kosa dia hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.”—1Ko 15:32.