EZERA
(Ezèra).
1. [mety hidika hoe Mitahiry]. Anisan’ireo lehibem-pokon’ny Horita, tany Seira. (Ge 36:20, 21, 30) Tatỳ aoriana, dia nalain’ny taranak’i Esao ny tanin’ny Horita ary naringany izy ireo.—De 2:22.
[2-6: Fanampiana]
2. Azo inoana fa zanakalahin’i Efraima. Novonoin’ny teratany tao Gata i Ezera sy Elada rahalahiny, ‘satria nidina hangalatra ny biby fiompin’izy ireo.’—1Ta 7:20, 21.
3. Zanakalahin’i Hora avy amin’ny fokon’i Joda, ary “rain’i Hosa.” Mety ho olona na tanàna tany Joda i Hosa.—1Ta 4:1, 4; jereo HOSA No. 2.
4. Lehiben’ireo Gadita 11 lahy natanjaka, izay niala an-daharana mba hiandany tamin’i Davida tany an-tany efitra, tamin’izy tsy afaka nivezivezy noho ny amin’i Saoly. Azo inoana fa anisan’ireo lehibe indrindra “naharesy arivo” àry i Ezera.—1Ta 12:1, 8, 9, 14.
5. Zanakalahin’i Jesoa andrianan’i Mizpa, ary anisan’ny nanamboatra ampahany tamin’ny mandan’i Jerosalema tamin’ny andron’i Nehemia, tamin’ny 455 T.K.—Ne 3:19.
6. Anisan’ireo mpisorona nandray anjara tamin’ilay filaharam-be nalamin’i Nehemia, rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema voaorina indray, tamin’ny 455 T.K.—Ne 12:31, 41, 42.