FETIN’NY FITSOFANA TROMPETRA
Fety nankalazaina tamin’ny tsinam-bolana na ny voalohan’ny volana fahafito na Etanima (Tisry). Io no nanomboka ny taona tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana jiosy. Niavaka kokoa noho ireo Fetin’ny Tsinam-bolana nankalazaina isaky ny fiandohan’ireo volana 11 ambiny izy io. Tokony hisy fivoriambe masina hatao mandritra ilay Fetin’ny Fitsofana Trompetra, ary tsy tokony hisy hanao asa mafy na inona na inona.
Ireto didy ireto no niavian’ny anaran’ilay fety: “Ho fitsaharana tanteraka ho anareo, sy ho fampahatsiarovana anareo amin’ny alalan’ny fitsofana trompetra” izany. “Ho andro fitsofana trompetra izany.” Ireto no natolotra ankoatra ny fanatitra natolotra tsy tapaka isan’andro sy ireo fanatitra manokana isaky ny tsinam-bolana: Vantotr’ombilahy iray, ondrilahy iray, ondrilahy kely fito tsy misy kilema izay herintaona avy, nampiarahina tamin’ny fanatitra varimbazaha izay lafarinina tsara toto nafangaro menaka, ary osilahy kely iray ho fanatitra noho ny ota.—Le 23:24; No 29:1-6.
Fety lehibe izy io satria fiandohan’ny taom-pambolena sy taom-piasana ilay volana nanaovana azy. Andro Fandrakofam-pahotana koa ny faha-10-n’ilay volana, ary nanomboka tamin’ny faha-15-n’ny volana ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. Tamin’io volana io no nifarana ny fanangonana ny ankamaroan’ny vokatra tamin’ny taona teo aloha, toy ny voaloboka nanaovana divay mampifaly ny fon’ny olona, sy ny oliva izay natao sakafo sy nahazoana menaka ho an’ny jiro ary nampiasaina tamin’ny fanatitra varimbazaha. (Sl 104:15) Ilay fety àry no nanomboka an’ilay volana fanehoana fisaorana an’i Jehovah.