FITONDRANA AFO
Fitaovana nampiasaina tamin’ny fomba samihafa tao amin’ny toerana masina. Volamena ny sasany ary toa fasiana ny lahin-jiro efa may, izay nesorina tamin’ireo jiron’ny fitoeran-jiro volamena. (Ek 25:38; 37:23; No 4:9) Varahina kosa ny fitondrana afon’ny alitaran’ny fanatitra dorana, ary fanesorana lavenona na vainafo izy io. (Ek 27:3; 38:3) Fandorana emboka manitra koa izy io. (Le 10:1) Nandoro emboka manitra mba hidona-tsetroka teo ambonin’ny alitara volamena fandoroana emboka manitra ny mpisoronabe, isa-maraina sy teo anelanelan’ny takariva roa.—Ek 30:7, 8.
Tsy maintsy nosaronana ny fitondrana afo sy ireo fitaovana hafan’ny fitoeran-jiro sy ny an’ny alitaran’ny fanatitra dorana, rehefa hiainga sy hifindra toby ny Israelita sy ny tranolay masina.—No 4:9, 14.
Nanao fitondrana afo volamena sy volafotsy ho an’ny tempoly i Solomona, araka ny modely azon’i Davida teo ambany herin’ny fanahy masina. Mety ho be haingony kokoa noho ireo nampiasaina tao amin’ny tranolay masina tany an-tany efitra izy ireo. (1Mp 7:48-50; 1Ta 28:11-19; 2Ta 4:19-22) Nentina tany Babylona ireo fitondrana afo tena volamena sy tena volafotsy tao amin’ny tempoly, tamin’ny Jiosy natao sesitany tany.—2Mp 25:15; Je 52:19.
Tymiateriôn no teny grika ilazan’ny Hebreo 9:4 ny zavatra iray niaraka tamin’ny Vata misy ny fifanekena tao amin’ny Masina Indrindra. Misy ifandraisany amin’ny fandoroana emboka manitra ilay teny grika. Alitaran’ny emboka manitra io zavatra io, hoy ny Baiboly sasany, satria tymiateriôn, hono, no nilazan’i Philon sy Josèphe an’ilay alitara. (Kat., DIEM, DPV) Tsy tao amin’ny Masina Indrindra anefa ilay alitara (Ek 30:1, 6), fa teo ivelan’ny ridao na “teo anoloan’ny efitra anatiny indrindra.” (1Mp 6:22; ampit. Ek 40:3-5.) Azo adika kosa hoe “fitaovana fandoroana emboka manitra” ny hoe tymiateriôn, satria nentin’ny mpisoronabe nankao amin’ny Masina Indrindra izy io tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Le 16:12, 13) Tymiateriôn foana no ilazan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ny fitaovana fandoroana emboka manitra (2Ta 26:19; Ezk 8:11, LXX), na dia teny hafa aza no ampiasainy ao amin’ny Levitikosy 16:12. Milaza ny Mishnah jiosy fa nisy fitaovana volamena fandoroana emboka manitra nampiasaina tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Yôma 4:4; 5:1; 7:4) Nadikan’ny Baiboly sasany hoe ‘fitaovana fandoroana emboka manitra’ na ‘lovia fandoroana ditin-kazo manitra’ àry ny hoe tymiateriôn.—TV, Prot., JM.
Nampiasaina tamin’ny fomba ratsy. Maty i Nadaba sy Abiho zanak’i Arona fa nampiasa ny fitondrany afo mba hanolorana afo tsy ara-dalàna teo anatrehan’i Jehovah. (Le 10:1, 2) Levon’ny afo koa ireo lehilahy mpikomy 250 nanaraka an’i Kora, rehefa nitondra fitondrana afo varahina teo anatrehan’i Jehovah. (No 16:16-19, 35, 39) Lasa boka i Ozia Mpanjaka rehefa sahisahy ratsy nampiasa fitaovana fandoroana emboka manitra. (2Ta 26:18, 19) Ireo anti-panahy israelita 70 tao amin’ny fahitan’i Ezekiela kosa nampiasa fitaovana toy izany teo anoloan’ny sampy.—Ezk 8:10, 11; jereo EMBOKA MANITRA.