GIBEONA
(Gibeôna) [Toerana Misy Havoana], Gibeonita (Gibeônìta).
Ilay tanànan’i el-Jib ankehitriny, tokotokony ho 9,5 km any avaratra avaratrandrefan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly tany Jerosalema. Maro be ireo tahona siny tanimanga hita tany, ary nisy ilay anarana hoe Gibeona tamin’ny soratra hebreo fahiny izy ireny. Tokotokony ho 60 m ny haavon’ilay havoana nisy an’i Gibeona fahiny raha ampitahaina amin’ny lemaka manodidina azy, ary 6,5 ha eo ho eo ny velarany.
Nohadin’ireo mpikaroka ilay toerana ka nahitany tionelina iray nolavahana tao anaty vatolampy, izay 51 m ny halavany. Nohazavain’ny jiro io tionelina io fahiny satria nisy lavaka fasiana jiro mifanelanelana tsara manerana ny rindrina. Ilay tohatoha-bato nisy zana-tohatra 93 tao amin’io tionelina io dia niainga avy tao an-tanànan’i Gibeona nankao amin’ny lava-bato fitehirizan-drano iray nataon’olombelona. Loharano iray any amin’ny 25 m eo ho eo any ambanin’ny mandan’ny tanàna no namatsy rano an’io lava-bato io. Nanan-drano foana àry ny Gibeonita rehefa nisy nanao fahirano. Nofongarin’ireo mpikaroka tao koa ny lavaka lalina, na dobo boribory iray nolavahana tao anaty vatolampy. Mirefy 11,3 m ny savaivon’ilay lavaka, ary misy tohatohatra miodina miankavia midina manaraka ny sisin’ilay lavaka ao, ary 1,5 m eo ho eo ny haben’ny zana-tohatra tsirairay. Rehefa tonga any amin’ny faran’ilay lavaka, any amin’ny 10,8 m, dia mbola midina 13,6 m ao anaty tionelina ilay tohatra, ka tonga ao amin’ny fitoeran-drano iray. Asa raha io lavaka na dobo io ihany ilay nantsoin’ny Baiboly hoe “dobon’i Gibeona.”—2Sa 2:13.
Tamin’ny andron’i Josoa. Ny Hivita no nonina tao Gibeona tamin’ny andron’i Josoa. Anisan’ireo firenena fito tao Kanana izay tokony haringana izy ireo. (De 7:1, 2; Js 9:3-7) Voalaza fa Amorita koa ny Gibeonita, satria toa io indraindray no anarana niantsoana ny Kananita rehetra. (2Sa 21:2; ampit. Ge 10:15-18; 15:16.) Tsy mba toy ny Kananita hafa ny Gibeonita fa niaiky hoe i Jehovah no niady ho an’i Israely, ka ho resy izy ireo na dia nanana tafika mahery sy tanàna lehibe aza. Rehefa rava àry i Jeriko sy Ay, dia nandefa solontena tany amin’i Josoa tany Gilgala mba hitady fihavanana ireo lehilahy tao Gibeona. Toa nisolo tena koa an’i Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima, izay samy tanànan’ny Hivita, ireo Gibeonita ireo. (Js 9:17) Mody niseho ho olona avy lavitra be ireo ambasadaoro gibeonita ireo satria nanao akanjo sy kapa efa tonta, sady nitondra gony tonta, siny hoditra fasiana divay izay efa triatra, ary mofo efa maina sy potipotika. Amin’izay mantsy dia tsy noheverina ho anisan’ireo firenena tsy maintsy noresen’ny Israely izy ireo. Niaiky ireo Gibeonita ireo fa i Jehovah no namely an’i Ejipta sy ny mpanjakan’ny Amorita, dia i Sihona sy Oga. Hendry izy ireo ka tsy notononiny izay nanjo an’i Jeriko sy Ay, satria mbola tsy tokony ho nandre izany izy ireo raha tena avy tany “an-tany lavitra be” tokoa. Nandinika ny porofo ny solontenan’ny Israely ka resy lahatra ary nanao fifanekena tamin’izy ireo fa hamela azy ho velona.—Js 9:3-15.
Tsy ela taorian’izay, dia niharihary ilay hafetsena. Mbola nanan-kery foana anefa ilay fifanekena. Raha tsy nanaja an’io fifanekena io ny Israelita dia halaza ratsy hoe tsy mendri-pitokisana, ary ho afa-baraka eo amin’ireo firenena ny anaran’i Jehovah. Rehefa nanontanian’i Josoa momba io hafetsena io ny Gibeonita, dia mbola niaiky izy ireo fa nomba an’ireo Israelita i Jehovah, ary hoy izy ireo rehefa nitolo-batana: “Indreto àry izahay eto am-pelatananao, ka izay hitanao fa tsara sy mety no ataovy aminay.” Natao mpaka kitay sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ny alitaran’i Jehovah àry izy ireo.—Js 9:16-27.
Marina fa voafitaka i Josoa sy ireo mpiadidy matoa nanao fifanekena tamin’ny Gibeonita, nefa azo inoana fa nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah izany fifanekena izany. (Js 11:19) Nanampy an’ireo Israelita namonjy ny Gibeonita mantsy i Jehovah, rehefa nanafika an’ireo Gibeonita ny mpanjaka amorita dimy. Nandefasan’i Jehovah havandra vaventy ny fahavalo sady nohalavainy tamin’ny fomba mahagaga ny andro mba hitohizan’ny ady. (Js 10:1-14) Nino ireo Gibeonita fa afaka manatanteraka ny teniny i Jehovah sady afaka mamonjy, matoa izy ireo nanao fifanekem-pihavanana tamin’ny Israely sy nangataka an’i Josoa mba hanampy azy ireo rehefa nisy nanafika. Nino toy izany koa i Rahaba tany Jeriko ka voaro ny ainy sy ny an’ny ankohonany. Natahotra sy nanaja an’ilay Andriamanitry ny Israely koa ny Gibeonita.—Ampit. Js 2:9-14; 9:9-11, 24; 10:6; He 11:31.
Teo ambany fahefan’ny Israely. Lasa tanàna tao anatin’ny faritanin’i Benjamina i Gibeona, ary nomena an’ireo mpisorona taranak’i Arona. (Js 18:21, 25; 21:17-19) Voalaza fa “rain’i” Gibeona i Jeiela Benjamita, izany hoe, toa nanorina trano tao izy. (1Ta 8:29; 9:35) Samy Gibeonita i Jismaia, lehilahy maherin’i Davida (1Ta 12:1, 4), sy i Hanania, mpaminany sandoka tamin’ny andron’i Jeremia.—Je 28:1.
Tamin’ny taonjato faha-11 T.K., dia rafitra ady tao Gibeona sy ny manodidina azy ny tafik’i Isboseta notarihin’i Abnera sy ny tafik’i Davida notarihin’i Joaba. Nasaina nifanandrina aloha ny 12 lahy avy tamin’ny andaniny sy ny 12 lahy avy tamin’ny ankilany, mba hahitana hoe iza no tokony ho lasa mpanjaka eo amin’ny Israely. Tsy voavaha anefa ilay olana satria nifanindron-tsabatra izy 24 lahy ka maty daholo. Rafitra àry ny ady, ka avo 18 heny ny isan’ny miaramilan’i Abnera maty raha noharina tamin’ny miaramilan’i Joaba. Nisy 380 ny fitambaran’ny maty tamin’io ady io, ka anisan’izany i Asahela rahalahin’i Joaba, izay novonoin’i Abnera. (2Sa 2:12-31) Novonoin’i Joaba i Abnera tatỳ aoriana, ho valin’ny namonoany an’i Asahela. (2Sa 3:27, 30) Tsy ela taorian’izay, dia novonoin’i Joaba teo akaikin’ilay vato lehibe tao Gibeona koa i Amasa, zana-drahavavin-dreniny. Vao notendren’i Davida ho lehiben’ny tafika mantsy i Amasa, zanak’anabavin’i Davida.—2Sa 20:8-10.
Mbola nisy foana nandritra ny taonjato maro ny tena Gibeonita, na dia nitetika ny handringana azy ireo aza i Saoly Mpanjaka. Nanam-paharetana anefa ny Gibeonita niandry an’i Jehovah hampiharihary an’ilay tsy rariny. Nandefa mosary nandritra ny telo taona àry i Jehovah tamin’ny andron’i Davida. Rehefa ren’i Davida avy tamin’i Jehovah fa noho i Saoly sy ny ankohonany meloka ho nandatsa-dra no nahatonga izany, dia nanontanian’i Davida ny Gibeonita hoe inona no tokony hatao ho fandrakofam-pahotana. Namaly izy ireo hoe “tsy volafotsy na volamena” no notakiny satria milaza ny Lalàna fa tsy misy zavatra azo anavotana ny mpamono olona. Marina ny azy. (No 35:30, 31) Niaiky koa izy ireo fa tsy nanan-jo hamono olona raha tsy nahazo alalana hanao izany. Rehefa nanontanian’i Davida indray izy ireo vao nangataka fito lahy avy tamin’ny ‘taranak’i’ Saoly mba hatolotra azy ireo. Angamba i Saoly no nitarika ilay vonoan’olona, ary mety ho nandray anjara mivantana na tsy mivantana tamin’izany koa ny “taranany” matoa i Saoly sy ny ankohonany no nolazaina fa meloka ho nandatsa-dra. (2Sa 21:1-9) Tsy hoe maty noho ny fahotan’ny rainy àry ny taranak’i Saoly (De 24:16), fa nomena ny sazy sahaza azy, mifanaraka amin’ilay lalàna hoe: “Aina ho solon’ny aina.”—De 19:21.
Nafindra tany Gibeona ny tranolay masina tamin’ny andron’i Davida. (1Ta 16:39; 21:29, 30) Tany i Solomona no nanao sorona, tamin’izy vao lasa mpanjaka. Tany Gibeona koa i Jehovah no niseho taminy tao amin’ny nofy, ary nanasa azy hangataka izay tiany.—1Mp 3:4, 5; 9:1, 2; 2Ta 1:3, 6, 13.
Taona maro tatỳ aoriana, dia naminany i Isaia (28:21, 22) fa hanao zavatra hafahafa sy tsy mahazatra i Jehovah satria hamely ny vahoakany, ary nampitoviny tamin’izay nitranga teo amin’ny lemaka ivan’i Gibeona izany. Angamba ilay fandresen’i Davida ny Filistinina (1Ta 14:16), na ilay faharesen’ireo Amorita nivondrona tamin’ny andron’i Josoa no tiana holazaina tamin’izany. (Js 10:5, 6, 10-14) Tanteraka ilay faminaniana tamin’ny 607 T.K. rehefa navelan’i Jehovah handrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny ny Babylonianina.
Taoriana kelin’io fandravana io, dia novonoin’i Ismaela tao Mizpa i Gedalia, ilay governora notendren’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Nentin’io mpamono olona io sy ny namany ho babo ny mponina sisa tao Mizpa saingy tratran’i Johanana sy ny miaramilany izy ireo, teo akaikin’ny rano be tao Gibeona. Nafahan’i Johanana ireo babo, taorian’izay.—Je 41:2, 3, 10-16.
Anisan’ireo niverina avy tany Babylona tamin’ny 537 T.K. ny Gibeonita, ary nisy tamin’izy ireo mihitsy aza tatỳ aoriana nandray anjara tamin’ny fanamboarana ny mandan’i Jerosalema.—Ne 3:7; 7:6, 7, 25.