VATOKELY
Vato madinika na poti-bato. Ampiasaina amin’ny heviny an’ohatra ny “vatokely”, ao amin’ny Soratra Masina. Voalaza, ohatra, fa toy ny hoe feno vatokely ny vavan’izay mamitaka mba hahazoana sakafo. Nahoana? Satria ratsy ny vokatr’izany. (Oh 20:17) Voalaza koa fa satria nivadika tamin’i Jehovah ny mponin’i Jerosalema, dia navelany hampijaly mafy azy ireo ny Babylonianina ka toy ny hoe ‘natao tapatapaka ny nifiny noho ny vato kely.’ (Ft 3:16) Milaza ny lovantsofina jiosy fa izany mihitsy no nanjo ny Israelita babo tany Babylona, satria noterena hahandro mofo tao anaty lavaka teo amin’ny tany izy ireo, ka lasa nisy vatokely ny mofo nohaniny.