HABAIA
(Habaià) [Nanafina i Jah].
Mpisorona nanan-taranaka niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona. Tsy afaka nanamarina ny razambe niaviany anefa ny “taranany”, ka tsy nekena ho isan’ny mpisorona. Tsy nahazo ‘nihinana ny zavatra masina indrindra’ izy ireo, ‘raha tsy rehefa nisy mpisorona nitondra Orima sy Tomima.’—Ezr 2:1, 2, 61-63; Ne 7:63-65.