HEBRONITA
(Hebrônita) [An’i Hebrona].
Fianakaviana levita, taranak’i Hebrona zanakalahin’i Kehata. (Ek 6:16, 18; No 3:27; 26:58; 1Ta 26:23, 24) Nanendry Hebronita mahay 1700 lahy i Davida Mpanjaka, mba hitantan-draharaha tany amin’ny faritra andrefan’i Jordana, ary 2700 lahy kosa tany amin’ny faritra atsinanana.—1Ta 26:30-32.