HERMESY
(Hermèsy).
1. Kristianina anisan’ny fiangonan’i Roma nanaovan’i Paoly mampamangy.—Ro 16:14.
2. Andriamanitra grika, zanakalahin’i Zeosy sy Maia. I Hermesy ilay antsoin’ny Romanina hoe Merkory, andriamanitry ny varotra. Mpitondra hafatr’ireo andriamanitra i Hermesy. Mpanolo-tsaina an’ireo mahery fo, hono, izy sady andriamanitry ny varotra, ny fahaiza-mandaha-teny, ny fanatanjahan-tena, ny torimaso ary ny nofy. Tsy ny velona ihany, hono, no nomeny tari-dalana, fa notarihiny ho any amin’ny Haides koa ny maty.
Niantso an’i Paoly hoe Hermesy ny mponina tany Lystra izay nahita azy nanasitrana lehilahy nalemy hatrany an-kibon-dreniny, satria i Paoly “no niteny.” (As 14:8-13) Nino mantsy izy ireo fa mpitondra hafatr’ireo andriamanitra i Hermesy, sady andriamanitry ny fahaiza-mandaha-teny. Nivavaka tamin’i Hermesy tokoa izy ireo, araka ity soratra hita tany akaikin’i Lystra tamin’ny 1909 ity: “Nanao [ny sarivongan’i] Hermesy Lehibe Indrindra nisy sarina famantarana ora amin’ny alalan’ny aloky ny masoandro i Toesy Makrinosy na Abaskantosy sy Batasisy zanak’i Bretasisy, araka ny voady nataon’izy ireo. Izy ireo no nandoa ny lany rehetra tamin’izany, ary natokany ho an’i Zeosy andriamanitra masoandro ilay sarivongana.”—Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena, nataon’i J. Orr, 1960, Boky III, p. 1944.