TRANO ALAN’I LIBANONA
Iray amin’ireo tranom-panjakana naorin’i Solomona Mpanjaka nandritra ny 13 taona (1027-1014 T.K.), rehefa vita ny tempolin’i Jerosalema. Fitehirizana fiadiana sy fitaovana sarobidy maro io trano teo atsimon’ny tempoly io. Nantsoina hoe Trano Alan’i Libanona izy io satria naorina tamin’ny hazo sedera avy any Libanona, na satria nisy andry sedera ngezabe maro izay nampahatsiahy an’ireo ala tany.
Zato hakiho (44 m) ny lavan’ilay trano, 50 hakiho (22 m) ny sakany, ary 30 hakiho (13 m) ny haavony. Toa vato ny rindriny (1Mp 7:9), izay nitsofohan’ny tendron’ireo vatan-kazo sedera. Notohanan’ny andry nisy laharany efatra (“efatra” hoy ny soratra hebreo; “telo” hoy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo) ireo vatan-kazo. Nisy efitra nopetahana takela-kazo sedera teo ambonin’ireo andry. Nifanao ambony sy ambany ireo efitra ary nisy tokotany tsy mitafo teo afovoan’ilay trano nisy rihana telo, araka ny vinavinan’ny olona tatỳ aoriana momba an’izay mety ho endrik’ilay trano. “Nisy lavaka maro fidiran’ny hazavana” ireo efitra, “ary nifanandrify ireny sady nisy ambaratonga telo.” Midika angamba izany fa varavarankely lehibe ireo lavaka ireo, ary samy nanana ny nifanitsy taminy ireo varavarankelin’ny efitra tsirairay nahatazanana ny tokotany. Na mety ho nisy varavarankely roa isaky ny efitra, ka ny iray nahatazanana ny tokotany ary ny iray nahatazanana ny tany ivelany. “Nasiana sisiny efajoro” ny fidirana (ny varavaran’ny efitra tsirairay sy ny avy teo amin’ny efitra iray nankao amin’ny efitra ilany angamba). Tsy niendrika andohalambo àry ireo varavarana sy varavarankely.—1Mp 7:2-5.
Nisy laharana firy marina ny andrin’ilay trano? Hoy mantsy ny soratra hebreo rehefa avy nilaza fa efatra ireo laharana ary 45 ireo andry: “Nisy dimy ambin’ny folo teo amin’ny laharana iray.” (1Mp 7:2, 3) Misy mihevitra fa ireo efitra nanao ambaratonga telo no voalaza eo, ka nisy 15 ny laharana iray, fa mety ho nihoatra noho io ny isan’ireo andry nanao laharana efatra. Ny hafa indray miray hevitra amin’ny voalazan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hoe nisy laharana “telo” ireo andry. Misy Baiboly kosa nanova an’ilay andininy ka milaza fa ireo rairaindrihana no miisa “45”, fa tsy ireo andry.—Jereo DIEM.
Nataon’i Solomona tao amin’ilay trano ny ampinga lehibe 200 (norakofana sekely volamena 600 izy tsirairay [77 000 dolara eo ho eo]), sy ny ampinga kely 300 (norakofana volamena telo mina izy tsirairay [19 300 dolara eo ho eo]), izay samy vita tamin’ny volamena misy fangarony. Maherin’ny 21 tapitrisa dolara àry ny vidin’ny volamena natao tamin’ireo ampinga ireo. Nisy fitaovana volamena maro hafa koa tao amin’ilay trano. (1Mp 10:16, 17, 21; 2Ta 9:15, 16, 20) Lasan’i Sisaka mpanjakan’i Ejipta anefa ireo ampinga volamena, tamin’ny andron’i Rehoboama Mpanjaka zanak’i Solomona. Nosoloan’i Rehoboama ampinga varahina àry izy ireny, ary napetrany ho andraikitry ny lehiben’ny mpihazakazaka, dia ireo mpiambina ny fidirana mankao an-tranon’ny mpanjaka.—1Mp 14:25-28; 2Ta 12:9-11.
Antsoina koa hoe “fitehirizam-piadiana ao amin’ny Trano Alan’i Libanona” ilay trano.—Is 22:8.