JEHOKALA
(Jehokàla) [I Jehovah dia Mahavita Manao; I Jehovah dia Mandresy], Jokala (Jokàla) [fanafohezana ny hoe Jehokala].
Andriana zanak’i Selemia ary nirahin’i Zedekia Mpanjaka hangataka an’i Jeremia mba hivavaka ho an’ny Joda. (Je 37:3) Nalefan’izy io sy ny andriana telo hafa tao amin’ny lavaka feno fotaka i Jeremia, satria ‘nampiraviravy tanana an’ireo lehilahy mpiady’ sy ny vahoaka, hono, ny fitoriany.—Je 38:1-6.