JEIELA
(Jeièla).
1. Taranak’i Robena zanak’i Jakoba.—1Ta 5:1, 7.
2. Benjamita razamben’i Saoly Mpanjaka. Nanorim-ponenana tao Gibeona izy sy Maka vadiny ary ny zanany folo. (1Ta 8:29; 9:35-39) Toa izy ihany no Abiela.—1Sa 9:1; jereo ABIELA No. 1.
3. Anisan’ny lehilahy maherin’i Davida, ary zanakalahin’i Hotama Aroerita.—1Ta 11:26, 44.
4. Levita mpiandry vavahady sady mpitendry zavamaneno. Anisan’ny mpitendry izy, fony nentina niakatra ho any Jerosalema ny Vata. Nitendry koa izy nanoloana ny tranolay nametrahana azy io.—1Ta 15:17, 18, 21, 28; 16:1, 4, 5 (izy ilay Jeiela faharoa eo amin’ny and. 5).
5. Levita hafa mpitendry zavamaneno nanao toa an’ilay No. 4. (1Ta 16:5, izy ilay Jeiela voalohany eo) Nantsoina koa hoe Jaziela (1Ta 15:18) na Aziela (1Ta 15:20) izy.
6. Levita taranak’i Asafa. Izy no razamben’ilay Levita nandrisika an’i Josafata Mpanjaka sy ny mponin’i Joda sy Jerosalema mba tsy hatahotra ny fahavalony, satria homba azy ireo i Jehovah.—2Ta 20:14-17.
7. Mpitan-tsoratra nanoratra ny isa sy anaran’ireo miaramilan’i Ozia Mpanjaka.—2Ta 26:11.
8. Anisan’ny mpiadidy teo amin’ny Levita nanome biby maro, rehefa nankalazaina ilay Paska nanetriketrika tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka.—2Ta 35:1, 9.
9. Taranak’i Adonikama niaraka tamin’i Ezra avy tany Babylona nankany Jerosalema (468 T.K.).—Ezr 8:1, 13.
10. Anisan’ireo zanakalahin’i Nebo. Nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany izy ireo, tamin’ny andron’i Ezra.—Ezr 10:43, 44.