JOLIO
(Joliô).
Manamboninahitra romanina nifehy miaramila 100, na lehiben’ny 100, avy amin’ny andia-miaramilan’i Aogosto. Izy no niandraikitra ny dian’i Paoly nankany Roma, tamin’i Paoly voafonja. (As 27:1; jereo AOGOSTO, ANDIA-MIARAMILAN’I; MANAMBONINAHITRA.) Vao niainga mihitsy izy ireo, dia toa efa takatr’i Jolia fa tsy toy ny voafonja rehetra i Paoly. Tsara fanahy taminy àry izy, ka navelany hidina an-tanety, i Paoly tao Sidona, mba hitsidika ny namany. Tatỳ aoriana anefa, rehefa nilaza i Paoly hoe hahita loza izy ireo raha mbola nandeha ihany tamin’izay, dia tsy nihaino azy i Jolio. Naleony nihaino an’ilay mpanamory sy ny tompon-tsambo, izay nilaza zavatra nifanohitra tamin’izany. Nanaraka ny tenin’i Paoly kosa ny miaramilan’i Jolio taorian’izay, ka tsy navelany handositra ireo tantsambo. Hoy mantsy i Paoly: “Raha tsy mijanona ato an-tsambo ireo olona ireo, dia tsy ho voavonjy ianareo.” Rehefa rendrika ilay sambo, dia tsy navelan’i Jolio hovonoin’ny miaramila ny voafonja, ka avotra soa aman-tsara i Paoly.—As 27:1-44.