KAREA
(Karèa) [Sola; Fahasolana].
Lehilahy anisan’ny fokon’i Joda. Izy no rain’i Johanana sy Jonatana, izay samy lehiben’ny tafik’i Joda, tamin’i Gedalia notendren’ny mpanjakan’i Babylona ho governoran’ireo Jodianina tsy natao sesitany tany Babylona, rehefa rava i Jerosalema (607 T.K.).—2Mp 25:21-23; Je 40:7, 8.