ANTOKON-KINTANA KIMAHA
(Kimà).
Hita ao amin’ny Joba 9:9; 38:31 sy Amosa 5:8 io anarana io, ary manondro antokon-kintana iray eny amin’ny lanitra. Maro no mihevitra fa ilay atao hoe Pléiades izy io, izany hoe ilay andian-kintana any amin’ny 3600 tapitrisa tapitrisa kilaometatra eo ho eo avy eo amin’ny masoandro, ary misy kintana lehibe fito sy kintana kely maro toy ny hoe ao anaty zavona. Nanontany an’i Joba i Jehovah raha “mahafatotra mafy tsara ny tadin’ny antokon-kintana Kimaha” izy. (Jb 38:31) Mivangongo ny kintana ao anatin’ny Pléiades, ka misy miteny hoe izany no tiana holazaina amin’ilay hoe antokon-kintana mifatotra mafy tsara. Io mantsy no andian-kintana azo inoana fa hitan’ny mason’ny olombelona. Ny Pléiades tokoa ve, sa antokon-kintana hafa, io Kimaha io? Tsy fantatra marina izany. Ny tena tian’i Jehovah hanontaniana koa dia hoe mahavita manambatra kintana maro mba ho lasa antokon-kintana maharitra ve ny olombelona. Tiany hiaiky i Joba hoe tena ambany ny olona raha oharina amin’ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao.