TOMPON’ANDRAIKI-PANJAKANA
Mpitantana ny raharaham-panjakana tany amin’ireo zanatany romanina, ary nantsoina hoe strategôi tao amin’ireo tanàna grika. Nisy 3 na 4 izy ireny no niara-nitantana, matetika 5, na 10 na 12 mihitsy aza. Ireto avy no andraikiny: Nitandro ny filaminana, nitantana ny volam-panjakana, nitsara an’ireo mpandika lalàna sy namoaka didim-pitsarana, ary nandidy ny hampiharana sazy. Nahitana ny anaran’izy ireny sy ny anaram-boninahiny ny vola madinika namboarin’ny tanàna iray. Niara-niasa taminy ny mpanefa baiko.—Jereo MPANEFA BAIKO.
Nasain’ireo tompon’andraiki-panjakana tao Filipy, zanatany romanina (As 16:12), nogejaina tamin’ny boloky hazo i Paoly sy Silasy, nefa mbola tsy notsaraina akory. Naniraka mpanefa baiko izy ireo ny ampitso hanafaka azy mirahalahy. Tsy nety anefa i Paoly raha tsy ireo tompon’andraiki-panjakana mihitsy no namoaka azy, satria tiany ho hitan’ny besinimaro hoe ara-dalàna ny fitoriany ny vaovao tsara. Natahotra izy ireo sao hahita olana amin’i Roma noho ny nikapohany olom-pirenena romanina, ka niangavy azy roa lahy mba handeha.—As 16:19-39.