MIZPA
(Mizpà), Mizpe (Mizpè) [midika hoe “Tilikambo”].
1. Faritra nonenan’ny Hivita, teo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona. (Js 11:3) Mety ho ilay faritra manontolo, na ny ampahany aminy no nantsoina hoe “lemak’i Mizpe.” (Js 11:8) Ilay nantsoina hoe “Mizpa” kosa dia mety ho ilay faritra manodidina an’i Banyas (Kaisaria-Filipo) eo atsimon’ny Tendrombohitra Hermona na ilay lemaka misy ny Lohasaha Falehan-driaka et-Teim eo atsinanan’ny Tendrombohitra Hermona.
2. Tanànan’i Joda tany Sefela. (Js 15:33, 38) Mbola iadian-kevitra anefa ny toerana tena nisy azy. Misy milaza azy io ho i Kirbet Safiyeh, 9 km eo ho eo any atsimon’i Azeka fahiny.
3. Tanàna tao amin’ny faritanin’i Benjamina. (Js 18:26, 28) Misy milaza an’ilay tanàna fahiny ho i Nebi Samvil (8 km eo ho eo any avaratrandrefan’i Jerosalema), maro kosa anefa no milaza azy io ho i Tell en-Nasbeh (12 km eo ho eo any avaratr’i Jerosalema). Toa i Tell en-Nasbeh no mitombina kokoa rehefa jerena ny zavatra sasany nofongarina tao. Nahitana tahon-tsiny nisy litera hebreo mantsy tao, ary milaza ny manam-pahaizana sasany fa mifanitsy amin’ny litera m-s-p ireo litera ireo, ka mety ho fanafohezana ny hoe Mizpa izany.
Tao Mizpa ny lehilahy israelita mpiady rehetra no nivory sy nanapa-kevitra fa hanasazy an’ireo voarohirohy tamin’ilay fametavetana tao Gibean’i Benjamina. Tsy nety nanolotra an’ireo olo-meloka tao Gibea anefa ny Benjamita, ka nipoaka ny ady. Saika ripaka tanteraka ny fokon’i Benjamina tamin’ny farany, fa 600 lahy monja no afa-nandositra. (Mpts 20:1-48) Efa nianiana tany Mizpa ny Israelita fa tsy hisy hanome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjamita. (Mpts 21:1) Nisy fepetra tsy maintsy noraisina àry mba tsy hahalany tamingana ny fokon’i Benjamina. Nomena ho vadin’izy ireo, ohatra, ny tovovavy virjiny 400 avy tao Jabesi-gileada. Ny sisa tamin’ny mponina tao Jabesi-gileada kosa tsy maintsy novonoina, satria tsy anisan’ireo tonga tao Mizpa.—Mpts 21:5-12.
Novorin’i Samoela mpaminany tao Mizpa ny Israely rehetra tatỳ aoriana, ary nivavaka ho azy ireo izy. Nifady hanina ny Israelita tamin’izay, ary niaiky ny fahotany. Ren’ny Filistinina fa nivory tao Mizpa ny zanak’Israely, ka nohararaotiny izany mba hanafihana azy ireo. Nataon’i Jehovah nisahotaka anefa ireo fahavalo ka resin’ny Israelita. Toa ho fahatsiarovana an’io fandresena avy tamin’Andriamanitra io no nahatonga an’i Samoela hametraka vato teo anelanelan’i Mizpa sy Jesana, ka nomeny anarana hoe Ebenezera (midika hoe “Vato Manampy”). Mbola nitety an’i Betela sy Gilgala ary Mizpa isan-taona i Samoela taorian’izay, mba hitsara ny Israely. (1Sa 7:5-16) Nisy fivoriana natao indray tao Mizpa tamin’ny 1117 T.K. Tamin’izay i Samoela no nampahafantatra tamin’ny vahoaka fa i Saoly no mpanjakan’ny Israely voalohany.—1Sa 10:17-25.
Tamin’ny taonjato faha-10 T.K., dia nanorina an’i Mizpa i Asa mpanjakan’ny Joda, ka ny fitaovana nanorenana an’i Rama ihany no nampiasainy, rehefa voatery niala tao Rama i Basa mpanjakan’ny Israely. (1Mp 15:20-22; 2Ta 16:4-6) Telonjato taona teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny 607 T.K., dia nanendry an’i Gedalia ho governoran’ireo Jiosy tavela tao Joda i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, rehefa resiny ilay tany. Tao Mizpa i Gedalia no nanao ny asan’ny Governora, ary tao i Jeremia mpaminany no nonina. Tonga tany Mizpa koa ireo lehiben’ny tafika sy Jiosy hafa sisa tsy maty, izay niely tany amin’ny toerana maro. Efa nampitandremana i Gedalia nefa tsy mailo ka nisy namono tao Mizpa izy sy ireo Kaldeanina ary Jiosy niaraka taminy. Novonoina koa ny 70 tamin’ireo lehilahy tonga nitsidika tao. I Ismaela zanak’i Netania no lehiben’ilay andiana mpamono olona. Nentin’izy ireo ho babo ny olona sisa tavela. Tratran’i Johanana zanak’i Karea izy ireo, ka nandositra i Ismaela sy ny lehilahy valo hafa. Avotra anefa ireo olona babo, ary nentina tany Ejipta avy eo.—2Mp 25:23-26; Je 40:5–41:18.
Taorian’ny sesitany tany Babylona, dia anisan’ny nanamboatra ny mandan’i Jerosalema ny lehilahy tao Mizpa sy ireo andriana toa an’i Saloma sy Ezera.—Ne 3:7, 15, 19.
4. Tanàna tany atsinanan’i Jordana, tany Gileada. (Mpts 10:17; 11:11, 29) Mety ho ity Mizpa ity ihany ilay resahin’ny Hosea 5:1. Tao Mizpa i Jefta no nonina. (Mpts 11:34) Tsy fantatra ny tena toerana nisy azy io, fa misy milaza hoe tao Kirbet Jalʽad na teny akaiky teny izy io. Tokony ho 23 km avaratrandrefan’i Raba (Amman) no misy an’i Kirbet Jalʽad.
5. Tanànan’i Moaba. Tao no nametrahan’i Davida ny ray aman-dreniny, tamin’izy nandositra an’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 22:3) Tsy fantatra ny tena toerana nisy an’i Mizpe. Misy manam-pahaizana milaza azy io ho i Kiran’i Moaba. (Is 15:1) Ny hafa indray milaza azy io ho i Rozm el-Mesrife (andrefana atsimoandrefan’i Madaba [Medeba fahiny]).