OHADA
(Ohàda).
Iray amin’ireo zanakalahin’i Simeona, ary ny anarany no voatonona fahatelo. (Ge 46:10; Ek 6:15) Tsy ao amin’ny lisitra tamin’ilay fanisam-bahoaka natao tatỳ aoriana ny anarany, ka fantatra fa tsy nisy fianakaviana nipoitra avy taminy.—No 26:12-14.