FRIJIA
(Frijìa).
Tany na faritra teo afovoan’i Azia Minora. Niovaova be ny sisin-tanin’i Frijia nandritra ny taona maro. Mila milaza fotoana voafaritra tsara àry raha te hahalala ny sisin-taniny. Tamin’ny taonjato voalohany i “Frijia”, dia tao amin’ny faritanin’i Galatia sy Azia, izay samy faritany romanina. Anisan’i Frijia tamin’izany ilay lembalemba teo avaratry ny Tandavan-tendrombohitra Taurus, nanomboka teo amin’ny Reniranon’i Halys teo atsinanana ka hatrany amin’ireo lohasaha tany amin’ny fiandohan’ny reniranon’i Hermus sy Meandra tany andrefana. Nandalo tany Frijia ny apostoly Paoly, tamin’ireo dia misionera roa nataony, fara fahakeliny.—As 16:6; 18:23; 19:1.
Voalaza fa ny Frijianina dia olona avy any Thrace, nandeha niparitaka nianatsimo tamin’ny taona 1200 T.K. tany ho any, ka nifehy ny ankamaroan’ny faritra afovoany sy andrefan’i Azia Minora, avaratry ny Tendrombohitra Taurus, teo anelanelan’ny Reniranon’i Halys sy ny Ranomasina Égée. Hita avy tamin’ny fikarohana fa i Gordion no renivohitr’izy ireo, ary anisan’ny mpanjaka nalaza teo amin’izy ireo i Midas. Nampiavaka ny fivavahan’ny mponina tany Frijia fahiny ny fivavahana tamin’ny andriamanibavy reny (Cybèle na Rhéa).
Lasa teo ambany fifehezan’ny tarana-mpanjaka grika tao Pergamosy ny faritra andrefan’i Frijia. Nanjary anisan’ny faritany romanina (izany hoe anisan’ny faritanin’i Azia) io fanjakana io. Frijia any Azia matetika no niantsoana an’ilay ilany atsimoatsinanana. (Jereo AZIA.) Ny mpanjakan’i Galatia no nitondra ny ilany atsinanana indrindra tamin’i Frijia, ka lasa anisan’i Galatia, faritany romanina, izy io tamin’ny farany. Antsoina hoe Frijia any Galatia io ilany atsinanana io indraindray. Any avaratr’i Pisidia no misy azy io, ary avaratrandrefan’i Lykaonia. Matetika no lazaina hoe any Pisidia i Antiokia, ary any Lykaonia i Ikonioma. Mety ho azo lazaina hoe tanànan’i Frijia koa anefa i Antiokia sy Ikonioma, arakaraka ny fotoana resahina sy ny mpanoratra.—As 13:14; jereo ANTIOKIA No. 2; IKONIOMA.
Maro ny Jiosy nonina tany Frijia, satria nampirisika azy ireo hifindra tany ireo mpitondra anisan’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus tany Syria. Milaza i Josèphe fa naka “fianakaviana jiosy roa arivo, niaraka tamin’ny entany, avy tany Mezopotamia sy Babylonia” i Antiokosa III (223-187 T.K.). Nalefany tany Lydia sy Frijia ireny Jiosy ireny mba hampitonena an’ireo mponina mpikomy tany. (Rakitry ny Ela Jiosy, XII, 149 [iii, 4]) Nihamaro hatrany ny Jiosy tany Azia Minora tamin’ny andron’ny Romanina. Nisy Jiosy avy tany amin’ny “faritr’i Azia, Frijia, Pamfylia” koa tonga tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33.—As 2:9, 10.
Nanohy ny diany nianavaratrandrefana i Paoly sy ireo niaraka taminy, tamin’ny dia misionera faharoa nataony, ka namakivaky an’i Kilikia sy Lykaonia, ary “nandeha nitety an’i Frijia sy ny faritr’i Galatia koa izy ireo, satria tsy navelan’ny fanahy masina hitory ny teny tany amin’ny faritr’i Azia.” (As 15:41; 16:1-6) Nandalo tany amin’ny ilany atsinanan’i Frijia fahiny (Frijia any Galatia tamin’ny andron’i Paoly) izy ireo, ary tsy niankandrefana namakivaky ny faritanin’i Azia (anisan’izany i Frijia any Azia) fa nianavaratra nankany amin’ny faritanin’i Bitynia, ary avy eo niankandrefana nankany Troasy.
Tany Frijia any Galatia sy Frijia any Azia i Paoly tamin’ny dia misionera fahatelo nataony. Rehefa niala tany Antiokia any Pisidia izy, dia “nitety ny faritr’i Galatia sy Frijia.” (As 18:23) Milaza koa ilay fitantarana fa “nitety ny afovoan-tany ... i Paoly ary nidina tany Efesosy”, tany amoron-tsiraky ny Ranomasina Égée. (As 19:1) Namakivaky ny lohasaha nisy ny Reniranon’i Lycus ny lalambe nankany Efesosy, ary nandalo an’i Laodikia sy Kolosia ary Hierapolia, izay samy tanànan’i Frijia. Toa tsy nanaraka an’iny lalambe iny i Paoly rehefa nankany Efesosy, fa nanivaka tany avaratra kokoa.—Kl 2:1; 4:13; jereo KOLOSIA.