FAMETAVETANA
Mametaveta olona ny lehilahy iray raha manao firaisana amin’ny vehivavy iray nefa tsy sitrapon’ilay vehivavy ny hanao izany fa nampiharana herisetra izy, na norahonana, na nofitahina. Tsy ara-dalàna anefa ny fanaovana firaisana toy izany.
Efa nilaza mialoha i Jehovah fa raha tsy mankatò ny lalàny ny Israely, dia hisy aretina sy loza hanjo azy ireo ary ho resin’ny fahavalony izy ireo. Hoy koa anefa izy: “Hanana fofombady ianao, nefa hisy lehilahy hafa hametaveta [endriny hafa amin’ny shagal] azy.” (De 28:30) Nitranga izany rehefa tsy nankatò tokoa ny firenen’Israely ka tsy niaro azy intsony i Jehovah, ary firenena mpanompo sampy no nitondra an’ireo tanàna israelita. (Ampit. Za 14:2.) Voalaza mialoha koa fa hisy hametaveta ny vehivavy tao Babylona. Nitranga tokoa izany rehefa resin’ny Medianina sy Persianina ny Babylonianina. (Is 13:1, 16) Tsy nisy kosa miaramila israelita nametaveta vehivavy rehefa naharesy firenen-kafa, satria voararan’ny Lalàna ny manao firaisana rehefa niantafika.—1Sa 21:5; 2Sa 11:6-11.
Nametaveta vehivavy iray ny lehilahy maromaro adalam-piraisana tao Gibean’i Benjamina, tamin’ny andron’ny Mpitsara. Valifaty nifanesy no vokatr’izany ka saika lany tamingana mihitsy ny fokon’i Benjamina. Levita iray nitsidika tao no tian’ireo lehilahy tsy manjary ireo hanaovana firaisana. Tsy nanaiky anefa ilay Levita fa nomeny azy ireo kosa ny vadikeliny, izay efa nijangajanga talohan’izay. Nametaveta an’io vehivavy io nandritra ny alina ireo lehilahy ireo, mandra-pahafatin’ilay vehivavy. ʽAnah no teny hebreo nadika hoe ‘nametaveta’, ao amin’io tantara io, ary midika koa hoe “mampahory”, “mampietry” ary “mampijaly” io teny io.—Mpts toko 19, 20.
Nametaveta an’i Tamara, anabaviny hafa reny, i Amnona zanak’i Davida Mpanjaka, ka novonoin’i Absaloma anadahin’i Tamara. (2Sa 13:1-18) Tezitra be i Ahasoerosy mpanjakan’i Persa rehefa naharihary taminy ny tetik’i Hamana Agagita hampamono ny Jiosy ary indrindra fa i Estera, vadin’ny mpanjaka. Fantatr’i Hamana fa tsy hamindra fo aminy mihitsy ny mpanjaka. Niankohoka teo ambonin’ny fandriana nisy an’i Estera, vadin’ny mpanjaka, àry izy ary nitalaho taminy. Niditra tao amin’ilay efitra indray anefa ny mpanjaka, ka nahita azy teo, ary dia nitrerona mafy hoe: “Tadiavinao hovetavetaina koa angaha ny vadin’ny mpanjaka, nefa izaho ato an-trano?” Tonga dia nomelohiny ho faty i Hamana, ka azo inoana fa rehefa avy novonoina izy vao nahantona teo amin’ilay tsato-kazo saika hanantonana an’i Mordekay, zana-drahalahin’ny rain’i Estera. (Es 7:1-10) Ilay teny hebreo hoe kavash no nampiasain’ny mpanjaka teo (Es 7:8), ary midika hoe ‘manjaka, mampanompo’ io teny hebreo io (Ge 1:28; Je 34:16), nefa midika koa hoe ‘mametaveta.’
Milaza ny Lalàna fa raha nisy zazavavy efa fofombadin’olona nefa nijangajanga tamin-dehilahy hafa, dia hovonoina ho faty izy roa. Nafahana madiodio kosa razazavavy raha niantso vonjy mafy, satria izany no porofo fa tsy nanan-tsiny izy. Ilay lehilahy ihany no novonoina ho faty noho izy nanota ka nanery an-drazazavavy.—De 22:23-27.