ROSY
(Ròsy).
1. Zanakalahin’i Benjamina anisan’ireo fianakavian’i Jakoba nankany Ejipta tamin’ny 1728 T.K. na teraka tany taoriana kelin’izay. (Ge 46:21, 26; jereo BENJAMINA No. 1.) Maty tsy niteraka angamba izy na lasa anisan’ny fianakaviambe hafa ny zanany lahy, matoa tsy hita intsony tao amin’ny lisitry ny fianakaviana benjamita ny anarany.
2. Anarana hita ao amin’ny Ezekiela 38:2 sy 39:1 (Prot.). Misy manam-pahaizana milaza fa firenena tavaratra nantsoina hoe Rus (Rosianina) nonina teny amoron’ny Reniranon’i Volga izy io. Mety kokoa anefa raha atao anaram-boninahitra izy io, fa tsy anarana firenena na toerana, rehefa dinihina ny hevitr’ilay teny sy ny nampiasana azy hilazana an’i Goga. Toy izao àry no nandikan’ny Baiboly sasany an’ilay hoe Rosy: “Lehiben’ny mpiadidy” (TV), ‘mpanapaka lehibe’ (Kat.), ‘filoha faratampony’ (DIEM), ‘andriandahy lehibe’ (JM).