ROTA, BOKIN’I
Boky nampitondraina ny anaran’i Rota Moabita, iray amin’ireo olona voaresaka be indrindra ao. Nanaiky hanambady an’i Boaza, izay tokony hitondra loloha an’i Naomy rafozany, i Rota ka lasa razamben’i Davida. Nahay nankasitraka sy tsy nivadika ary natoky an’i Jehovah i Rota sy Naomy ary Boaza.—Rt 1:8, 9, 16, 17; 2:4, 10-13, 19, 20; 3:9-13; 4:10.
Misy tetirazana ao amin’ilay boky. (Rt 4:18-22) Voaresaka ao koa ny zava-nitranga nandritra ny 11 taona teo ho eo tamin’ny andron’ny Mpitsara, na dia tsy fantatra marina aza hoe tamin’ny taona firy.—Rt 1:1, 4, 22; 2:23; 4:13.
I Samoela no nanoratra an’ilay boky, hoy ny lovantsofina jiosy. Manamarina izany ny zavatra voaresaka ao. Fantatr’ilay mpanoratra mantsy ny fikasan’Andriamanitra momba an’i Davida, matoa ny tetirazan’izy io no namaranany ilay boky. Nahafantatra izany i Samoela satria izy no nanosotra an’i Davida ho mpanjaka. Nety tsara àry ny niresahany momba ny razamben’i Davida.—1Sa 16:1, 13.
Anisan’ny Soratra Masina sady sarobidy. Marina ara-tantara ny bokin’i Rota, satria hita ao amin’ny tetirazan’i Jesosy Kristy nosoratan’i Matio ny anaran’i Boaza sy Rota ary Obeda. (Mt 1:5; ampit. Rt 4:18-22; 1Ta 2:5, 9-15.) Tsy azo inoana koa hoe hisy mpanoratra hebreo handeha hamorona hoe hafa firenena ny vehivavy iray anisan’ny razamben’i Davida, mpanjaka voalohany avy amin’ny taranak’i Joda.
Manampy antsika hahazo kokoa an’izay resahin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly ny bokin’i Rota. Voaresaka ao, ohatra, ny nampiharana ny lalàna momba ny fitsimponana (Le 19:9, 10; De 24:19-22; Rt 2:1, 3, 7, 15-17, 23) sy ny fitondrana loloha. (De 25:5-10; Rt 3:7-13; 4:1-13) Hita koa hoe narovan’i Jehovah ny fokon’i Joda mba ho avy aminy no hipoiran’ny Mesia, ary nofidiny tsara izay olona ho anisan’ny razamben’ny Mesia. Afaka nanantena ny ho lasa razamben’izy io izay vehivavy israelita nanambady lehilahy avy tamin’ny fokon’i Joda. (Ge 49:10) Moabita i Rota nefa nomena an’io voninahitra lehibe io. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy miankina amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka àry izany, fa miankina kosa amin’Andriamanitra izay mamindra fo.” (Ro 9:16) Nifidy an’i Jehovah ho Andriamaniny sy ny Israely ho fireneny i Rota, ka namindran’i Jehovah fo ary nomeny “valisoa tonga lafatra”, dia ny ho anisan’ny razamben’ilay olona niavaka indrindra teto an-tany.—Rt 2:12; 4:13-17.
[Efajoro, pejy 774]
HEVITRA MISONGADINA: ROTA
Tantaran’i Rota Moabita, izay natahotra an’Andriamanitra ka notahiny ary lasa razamben’i Davida Mpanjaka sy ny Mesia
Nitranga tamin’ny andron’ny Mpitsara; azo inoana fa vita tamin’ny 1090 T.K. tany ho any ilay boky
Nifidy ny hanaraka an’i Naomy sy hanompo ny Andriamaniny i Rota (1:1-22)
Niala tany Moaba i Naomy, vady navelan’i Elimeleka, ka niaraka taminy ho any Joda i Rota sy Orpa, vinantovaviny efa maty vady sy tsy niteraka
Niverin-dalana i Orpa rehefa nilazan’i Naomy fa tsy hanan-janakalahy afaka ny haka vady azy ireo intsony izy
Tsy kivy i Rota; nilaza fa ny firenen’i Naomy no ho fireneny, ary ny Andriamanitr’i Naomy no ho Andriamaniny
Tonga tany Betlehema ihany i Rota sy Naomy
Nitsimpona salohim-bary tao amin’ny sahan’i Boaza i Rota (2:1–3:18)
Sendra nitsimpona tao amin’ny sahan’i Boaza havan’i Elimeleka izy; nahazo sitraka taminy
Nitsimpona tao amin’ilay saha mandra-pahatapitry ny fijinjana vary orza sy varimbazaha
Nangataka an’i Boaza hanavotra azy, araka ny fampirisihan’i Naomy; nanaiky i Boaza nefa nilaza fa mbola nisy mpanavotra akaiky kokoa an’i Naomy
Nanavotra sy nanambady an’i Rota i Boaza (4:1-22)
Naka anti-panahy folo tao Betlehema i Boaza, nangataka an’ilay havana akaiky mba hanavotra ny zara-tanin’i Elimeleka sy hitondra loloha an’i Rota ka hamelo-maso ny anaran’ny maty
Nanda ilay havana, i Boaza indray no nanavotra
Nivady i Boaza sy Rota, ary niteraka an’i Obeda raiben’i Davida Mpanjaka