SEMIRAMOTA
(Semi̇̀ramòta).
1. Levita mpitendry zavamaneno, ary anisan’ireo nanotrona rehefa nentina tany Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena, izay tao an-tranon’i Obeda-edoma. Nitendry zavamaneno teo anoloan’ny tranolay nisy an’ilay Vata izy, taorian’izay.—1Ta 15:17, 18, 20, 25; 16:1, 4, 5.
2. Anisan’ireo Levita nirahin’i Josafata hankany amin’ny vahoaka mba hampianatra ny Lalàna azy ireo, tamin’ny 934 T.K.—2Ta 17:7-9.